Talata 25 Jona 2019
Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany : Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy ; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy. 1 Jaona 5:14-15
Ny nenitoako, izay efa tena antitra, dia mipetra-drery tsy lavitry ny trano fonenako. Afaka miantso ny laharan’ny findaiko izy, amin’ny baiko am-bava. Ary raha vao miantso ahy amin’ny anarako fotsiny izy dia mahazo fanampiana, amin’ny fotoana rehetra. Izany rahateo no ataony, na dia amina zava-manahirana faran’izay kely aza, raha vao tsy vitany.
Aoka isika hanao toa azy ! Aoka hanararaotra ny fisian’ny fifandraisana tsy miato eo amin’ny tany sy ny lanitra : tambazotra tsy mba mety voasakantsakana mihitsy. Manonona ny anaran’Andriamanitra fotsiny isika, dia mahazo antoka fa mahare antsika Izy.
Ny vavaka dia tsy fanaovana tsianjery averimberina amin’ny fotoana rehetra, natao masaka tsara, fa kosa fifandraisana mivantana sy manokana amin’Ilay Mpahary antsika, mba hangatahana Azy hanampy antsika. Jesosy dia miresaka momba ny lehilahy iray nanao tonom-bavaka fohy dia fohy hoe : “Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota” (Lioka 18:13). Nahazo famelan-keloka teo no ho eo izy.
Fa ny kristiana dia mahafantatra ihany koa fa azony resahina amin’ny Tompo ireo olana madinika miseho eo aminy andavanandro. Tena lehibe ny Andriamanitsika, nefa aminy dia tsy misy na inona na inona heveriny ho kely loatra, raha vao zavatra momba ny zanany etỳ an-tany. Tsy hanasatra Azy mihitsy isika. Ny zaza madinika iray dia tsy hatahotra ny hanelingelina ny ray aman-dreniny mba handranitra ny pensilihazony, na hamatotra ny tady kirarony, na hamaly ny fanontaniana maro apetrany, na dia fanontaniana bodo sy atao amin’ny fitenin-jaza aza izany. Aoka isika hitady ny famonjen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, ary ho resy lahatra fa mihaino antsika Izy. Ndao resahina aminy izay zavatra ilaintsika, ireo tebitebintsika, ary na ireo fisalasalantsika aza. Ary avy eo, dia aza hadino ny misaotra Azy.