Alarobia 26 Jona 2019
Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao... Faly aho noho ny teninao, tahaka ny mahazo babo be. Salamo 119:105, 162
Ny tenin’Andriamanitra ... miasa ao anatinareo izay mino. 1 Tesaloniana 2:13
Mahafantra boky iray milaza amiko izay “tamin’ny voalohany” aho, talohan’ny nisian’ny fotoana. Ambarany ahy ny fomba niandohan’izao tontolo rehetra izao, sy ny ho fiafarany koa. Manomboka “tamin’ny voalohany” izy, dia mitondra ahy mamakivaky ireo taonjato sy taonarivo, mandra-pahatonga amin’ny mandrakizay ho avy, rehefa tsy hisy intsony ny fotoana…
Io boky io dia manazava ny hoavy ary koa ny lasa. Hoy Ilay Mpanoratra azy hoe : “Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa… Izay manambara ny farany hatramin’ny voalohany… Sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa” (Isaia 46:9-11).
Io boky io dia mitantara amiko ny fomba nidiran’ny fahoriana sy ny fahafatesana teto amin’izao tontolo izao, ary koa ny fomba handroahana izany tsy ho eto mihitsy intsony.
Manoritsoritra ny tantaran’ireo olona niaina talohako izy, manao izany tsara noho izay fitantaram-piainana tsara indrindra, ary manambara amiko ny maha izaho ahy, amina fomba azo antoka kokoa noho ny fitaratra.
Asehony ahy ny tanjon’ny fisiako sy izay hitodiako. Atorony ahy ny tokony hatao mba tena hahasambatra.
Miaraka amiko isanandro io boky io, ary tandrify izay filako rehetra. Manoro hevitra ahy izy eo amin’ireo safidiko, mampitandrina ahy amin’ny loza, mamerina ahy amin’ny lala-marina raha mania aho (satria tsy namaky azy…). Manazava ahy izy amin’ny alina, manarina ahy raha tafintohina aho, manome toky ahy raha toa aho mitebiteby. Mampionona ahy izy, mampahery ahy, sakafo ho ahy, ary manala hetaheta ahy…
Mamaly ireo fanontaniako izy, mampiseho amiko harenam-pahendrena. Mirindra tanteraka ny voasoratra ao, ary tsy misy fifanoherana mihitsy.
Io boky io dia ny Baiboly, hafatra avy amin’Ilay Andriamanitra fitiavana sy fahamarinana. Natolony ho an’ny olona tsirairay izy io.
Boky kely azonao asisika any anaty entanao izy io. Ento rehefa handeha hanao fialantsasatra ianao. Misy koa ny Baiboly elektronika. Haseho aminao isaky ny alarobia vitsivitsy manaraka ny tantarany.