Alakamisy 27 Jona 2019
Nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao ... ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy. 2 Korintiana 4:4
(Hoy Jesosy :) Izaho tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay rehetra mino Ahy. Jaona 12:46
Teny an-tsena, andro asabotsy, dia nisy latabatra roa nifanila : teo ambonin’ny anankiray dia nisy « vato milaza tonom-bintana », namidy lafobe. Izay mitondra eny aminy ny vato misy ny tonom-bintany, hono, dia mahazo antoka fa ho sambatra sy hambinina. Teo amin’ny ilany kosa dia nisy Baiboly namidy mora dia mora. Olona maro no nijanona nanoloana ilay latabatra voalohany, ary vola be no niova tompo. Nanoloana ilay faharoa kosa dia nandalo fotsiny ny olona, somary nanao jery vilana…
Nahoana moa ny olona no mirona amin-javatra heveriny haha “tsara vintana” (vato, zavatra iambozonana, sns.), ary mahatsiaro tahotra manoloana ny Baiboly, izay Tenin’Ilay Andriamanitra Mpahary azy ? Matahotra ny hoavy izy, matahotra ny ho very namana na ho very asa, matahotra ny tsy fandriampahalemana, aretina, fijaliana, matahotra ny ho antitra, matahotra ny ho faty. Rehefa tsy mifandray amin’Andriamanitra, dia voatarika hitodika amin’ny « sandoka ». Aleon’ny olona mino hery tsy fantatra, mitoky amina kabary tsara lahatra, amina tsangankevitra tsy mitombina, toy izay hiantehitra amin’Andriamanitra. Aleon’ny olona ny lainga, toy izay ny Tenin’Andriamanitra.
Ny hany fialofana ahazoana fiadanana, ahafantarana ny dikan’ny fiainantsika sy ny hoaviny, dia ny fananana fifandraisana amin’Andriamanitra. Tia antsika Izy, na dia nanome lamosina Azy aza isika hatramin’izao, nifikitra tamina finoanoam-poana manilika na manohitra Azy. Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nanokatra ho antsika ny lalana tokana ahafahantsika mifindra miala avy amin’ny maizina ho amin’ny mazava, miala avy amin’ny tahotra ho amin’ny fiadanana. Jesosy io fahazavana avy amin’Andriamanitra io, ny fisiany ao amin’izay mino Azy dia manafoana izay rehetra mety ho tahotra. Manoatra lavitra noho izany aza, Jesosy dia mampanantena hanampy sy hanohana, amin’izao anio izao, izay olona mino Azy, ary koa manome azy fahazoana antoka ho amin’ny hoavy. Tokony ho resy lahatra ny amin’izany isika, rehefa mamaky ny Filazantsara.