Asabotsy 28 Desambra 2019

Fantatray fa Izy (Jesosy) tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao. Jaona 4:42

Ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy. Lioka 19:48

 

Mpanjakavavy avy tany atsimo

Ny mpanjakavavin’i Sheba dia tonga mba hihaona amin’i Solomona mpanjaka, rehefa nahare ny fahalehibeazan’ny fahendreny. Tsy nahafantatra ny Andriamanitry ny Hebreo izy, saingy liana kosa tamin’ny famirapiratana ara-panahin’ny mpanjakan’izy ireo : “Ny mpanjakavavin’i Sheba … nahare ny lazan’i Solomona ny amin’ny anaran’i Jehovah” (1 Mpanjaka 10:1). Hitany fa ny finoan’i Solomona dia nisy akony, hatramin’ny antsipiriany bitika indrindra, teo amin’ny fomba fiainany sy ny fomba fitondrany ny fanjakany. Hoy izy : “Marina ny teny efa reko tany amin’ny taniko ny amin’ny teninao sy ny fahendrenao. Kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay ! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory : fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko… Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao” (1 Mpanjaka 10:6-9).

Nomen’i Jesosy ho ohatra ho an’ireo mpiara-belona taminy io mpanjakavavy io (Matio 12:42). Nahita maso Ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra izy ireo, nefa tsy nino ny fahalehibeazany. Nandà tsy handray Azy izy ireo. Nampahatsahivin’i Jesosy azy ireo izany : “Avy tany amin’ny faran’ny tany izy”. Notsipihiny tamin’izany ny finiavan’io vehivavy hafa firenena io, izay nangetaheta fahamarinana sy fahendrena.

Mangetaheta ve ianao ? Efa nahare momba an’i Jesosy ve ianao, nefa tsy mino izany ? Ianao ve mahatsiaro tena hoe any ivelan’ny finoana kristiana, lavitry ny finoana ? Miaingà àry, manatòna an’i Jesosy, ary aoka ho tsapanao fa mihoatra noho izay mety hoheverinao Izy. Ny fahalehibeazan’ny tenany sy ny asany dia miseho ao amin’ireo filazantsara efatra, izay ampahan’ny Baiboly, ilay Tenin’Andriamanitra.