Alahady 29 Desambra 2019

Fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fatoriana ; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro. Romana 13:11, 12

 

Amin’ny firy izao ?

“Ny famantaranandron’ny Apokalypsy” dia famantaranandro an-tsaina novinavinaina fikambanan’olona mpahay siansa, tamin’ny fotoana niandohan’ny ady mangatsiaka. Eo amin’ny tavany, ny misasakalina dia manondro ny faran’izao tontolo izao. “Ahitsy” isam-potoana izy io, arakaraka ny fifandroritana eo amin’ny firenena maneran-tany sy ny fiovan’ny loza mitatao ara-nokleary, ara-tontolo iainana na ara-teknolojia.

Tamin’ny volana janoary 2016 izy io dia nanondro misasakalina latsaka 3 minitra.

Ary isika ve mahay mamantatra ny fotoana ? (vakio Matio 16:3). Na dia tsy manam-pahaizana manokana aza isika, dia afaka mahita ny fitotonganana ara-toe-panahy eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, ary ny fandavana ny fisainan’Andriamanitra sy ny fanaovana tsinontsinona ny zony. Tsy afaka hitohy lalandava raha tontolo mpikomy, tsy manaiky sy manohitra an’Andriamanitra. Tsy ho ela Andriamanitra dia hanadio tontolo toy izany amina fitsarana mbola tsy nisy toa azy, mba hahafahan’i Kristy manjaka mandritra ny arivo taona eto amin’ity tany ity. Nefa tsy ny faharavan’izao tany izao no tokony hampiasa saina antsika, fa ny fiafaran’ny vanimpotoanan’ny fahasoavan’Andriamanitra : efa akaiky izany farany izany. Mandraka androany Andriamanitra dia mbola manolotra famonjena maimaimpoana ho an’izay mino an’i Jesosy Kristy : “Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 6:23). Koa dieny anio dia taomina ny tsirairay hitodika amin’Ilay Andriamanitra Mpamonjy. Ndao hanaraka ny ohatra nomen’ireo lehilahy sy vehivavy nitodika tamin’Andriamanitra, niala tamin’ny sampy “mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra… dia Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy” (1 Tesaloniana 1:9, 10).