Alatsinainy 30 Desambra 2019

Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana... ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana, aloha ; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona, hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka ; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. 1 Tesaloniana 4:16, 17

 

Tompo ô, mety ho anio alina ve ?

“Hiverina ny Tompo”, hoy ny hiran’i Aimé Duval (1918-1984), arahiny amin’ny gitarany. “Hiverina ny Tompo, nampanantena izany Izy, aza raiki-tory amin’io alina io ! Ao anatin’ny fitiavako aho no miantso Azy ; Andriamanitro ô, mety ho anio alina ve ? Andraso ao am-ponao Izy…”

Taona maro no nandalo, tonga ny taona 2000 ; nisy andro sy alina nifandimby… ary miandry mandrakariva ny kristiana. Kinga erỳ ny tsy mpino, manaraby hoe : “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany ?” (2 Petera 3:4). Efa ela ianareo no nanambara taminay izany hiverenan’i Kristy izany, sady nandrahona hoe aorianan’izany ny fitsarana, nefa hitanareo tsara fa tsy misy na inona na inona mitranga…

Mamaly tsotra fotsiny ny Soratra Masina, izay Tenin’Andriamanitra, hoe : “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany” (and 9). Ary hazavainy ny mampihemotra ny fahatanterahan’izany, dia ny faharipon’Andriamanitra, Izay te hamindra fo amin’ireo rehetra mbola mibebaka androany. Nefa ho avy ilay fotoana mahatalanjona, ka hovaina amin’ny indray mipy maso ny velona sy ny maty tao amin’ny finoana, ary handeha ho any amin’i Jesosy.

Tsy trangan-javatra fotsiny no andrasantsika, fa Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy antsika sy Tompontsika, Ilay Olona tiana. Ry kristiana, ndao hiaina dieny izao amin’ny finoana izany fihaonana feno voninahitra izany, sady hihira ny fiavian’i Kristy ! Ary raha mbola tsy afaka miombona aminay ianao izao, mifohaza haingana, manatòna an’i Kristy, Ilay Mpamonjy, alohan’ny hiverenany. Mety ho “anio alina” mantsy izany.