Zoma 3 Janoary 2020

Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany ka nanao hoe : Lazaiko aminareo marina tokoa : Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo. Matio 18:2-3

 

Miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra hoe ?

 

Toy ny ankizy kely mihazona ny tanan-drainy,

Tsy mahalala tsara akory izay lalana ombany,

Toy ny ankizy kely matory eo anilan-dreniny,

Tsy manahy kely akory ny amin’ny ampitso.

 

Toy ny ankizy kely mitolagaga tsy tapaka,

Mahita zava-tsoa sarobidy marobe eny an-dalana,

Toy ny ankizy kely voahodidina tambitamby

Ka mamaly avy hatrany ireo tsikitsikin’ny havany,

 

Toy ny ankizy kely mihaino ny mpampianatra azy,

Ka tsy misalasala kely akory ny amin’izay ampianariny,

Toy ny ankizy kely, mahafantatra ny fitiavan’ny ray aman-dreniny,

Ka mihazakazaka manatona azy ireo, mba hampiononany ny tomaniny.

 

“Zanako”, izany no iantsoanao ahy, ry Ray,

Ianao Izay nanangana ahy ho zanakao, Ianao Izay tia ahy,

Ka mitady hatrany hahasambatra ahy, mihoatra noho ny ataona reny tia.

Enga anie ho amin’ny finoan’ankizy no hanajako Anao, ho valin’izany.

 

M.T.