Asabotsy 4 Janoary 2020

Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin’ny paralysisa nandry tamin’ny fandriana, nentin’ny olona teo aminy ; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe : Matokia, anaka ; voavela ny helokao. Matio 9:2

 

Ireo tenin’ny Filazantsara : Voavela ny helokao

Tsara vakina : Matio 9:1-8

Mety hahagaga anao angamba ny teny voalohany nataon’i Jesosy tamin’ilay lehilahy mararin’ny paralysisa. Nahoana Jesosy no mamela heloka azy ? Tsy tokony nositraniny ve io marary io ? Olona tsy afa-mihetsika no nentina teo amin’i Jesosy, na dia mpanota aza izy io ! Nefa tsy ilay heverintsika tsy akory no tsy fahafaha-mihetsika lehibe indrindra, fa ilay tsy fahafaha-mihetsika ateraky ny ota, ka manimba ny maha isika antsika sy mihazona antsika ho lavitra an’Andriamanitra.

Tamin’ny olona sasantsasany nanatrika teo, dia fitenenan-dratsy io tenin’i Jesosy io. Fa manao ny tenany ho Iza moa Jesosy ? Andriamanitra irery ihany no afaka mamela heloka ! Matoa mantsy Jesosy afaka mamela heloka, dia satria Andriamanitra tokoa Izy. Nataony hita miharihary ny zava-marina, izany hoe nasehony ny fahefana maha Andriamanitra Azy. “Mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka (dia hoy Izy tamin’ilay mararin’ny paralysisa) : Mitsangàna”. Dia tanteraka teo no ho eo izany ! Nitsangana ilay lehilahy. Tsy ilay lehilahy malemy intsony, fa lehilahy efa mijoro tsara. Ny famelan-keloka omen’Andriamanitra dia mampijoro tsara antsika sy manafaka antsika.

Ny Filazantsara dia milaza fa mpanota isika, ary tokony hanaiky izany, na dia mafy aza ny mandre izany ; fa mahatalanjona kosa ny hafatra sisa lazainy : Mamela ny fahotana Andriamanitra ary mamafa izany. Ny olona tsirairay dia afaka mandray ny teny mahagaga hoe : “Voavela ny helokao”. Mbola manan-kery mandraka ankehitriny izany teny izany, ka aoka horaisintsika. Dia ho afaka hiteny amintsika ihany koa Jesosy hoe : “Mitsangàna, ka mandehana”. Ho afaka manatona ny hafa am-pifaliana isika, ka hijoro ho vavolombelona amin’ny zava-mahatalanjona nataon’Andriamanitra ho antsika.