Alahady 5 Janoary 2020

Hidera Anao aho, fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy ; mahagaga ny asanao ; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany. Salamo 139:14

 

Kisendrasendra ve sa Andriamanitra ?

“Ny manaitra ahy ao amin’ny kisendrasendra, dia ny habetsahany. Manana maso aho, ary mahita izy ireo ; maro samihafa ny singa mamorona ny maso. Faran’izay tsotra ve izany ? sady faran’izay sarotra ? Manana sofina aho, handrenesana ; maro isan-karazany koa ny singa mamorona ny sofina. Mila tsy ho hay heverina… Kisendrasendra tsy tambo hisaina ireo, miara-mizotra ho amina tanjona iray avokoa, ka manomboka mahafanina ahy.”(Jean d’Ormesson)

Tahaka io filôzôfa io, nanoratra izany teny izany, dia tsy afaka hanaiky aho fa ny kisendrasendra no nahatonga ny fahariana. Tsy mahafa-po ny fahatakarako sy ny lojikako izany. Tsia, tsy vokatry ny kisendrasendra ny olombelona, na dia izany aza no tadiavina hampinoana antsika. Nefa tsy avelan’ Andriamanitra ho tapi-dalan-kaleha isika.

“Ny sofina mandre sy ny maso mahita dia samy nataon’i Jehovah avokoa” (Ohabolana 20:12). Noarìn’Andriamanitra hitovy endrika aminy ny olombelona. Saingy nosimbain’ny olombelona izany endrika izany. Nanaiky ny fitaky ny devoly izy, ka nanalavitra Ilay Mpahary azy. Ary nanomboka teo izy dia nitady izay dikan’ny fisiany. Kanefa raha mino izay ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly isika, dia hahafantatra ny drafitra nalaminy ho an’ny zanak’olombelona, drafitra manaporofo ny fitiavany. Ny tantaran’ny olona nandritra ireo vanimpotoana nifandimby, ny toetra maha mpikomy azy, ny filany fampihavanana amin’Andriamanitra, ny nanomezana ho azy Mpamonjy ao amin’i Jesosy Kristy, ny hitsarana tsy ho ela intsony izao tontolo mpikomy izao, ny fanirian’Andriamanitra honina eo anivon’ny olombelona… Tsy misy avy amin’ny kisendrasendra izany, ary tsy misy mizotra ho amin’ny kisendrasendra. Andriamanitra dia manana drafitra sy tanjona ho an’izao tontolo izao, ho ahy, ho anao. Aoka isika hatoky Azy.