Zoma 3 Jolay 2020

(Hoy Jesosy :) Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy ; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. Jaona 15:5

 

Nomenao ahy

 

Eny, ry Tompo Jesosy, nomenao ahy

Ny mba hiara-mitomany amin’ireo izay mitomany,

Ny hifona ho an’ireo izay matahotra,

Ny hanatsotra ny tanako roa sy ny foko

Ho amin’ireo rehetra ao anaty fijaliana.

 

Nomenao ahy, ry Tompo Jesosy,

Ny mba hiaina sy hitia tahaka Anao,

Ny hanatanteraka tsikelikely amin’ny finoana,

Ireo asa napetraka teo, ho ahy,

Eo amin’ny lalana mitondra ahy ho any aminao.

 

Nantsoinao aho, ry Tompo Jesosy,

Mba haneho eto amin’ity tany ity

Ny fahasoavana avy amin’Ilay Andriamanitra Ray.

Fihiniko ato am-poko sy ato amin’ny fanahiko

Ny faniriana sarobidy hanao izay mahafaly Anao.

 

Nomenao ahy, ry Tompo Jesosy,

Ny mba hahatakatra fa tsinontsinona aho

Raha tsy manana Anao, raha tsy manana ny fitiavanao,

Sy ny mba hanaiky fa tsy mahefa na inona na inona aho,

Raha tsy eo ny fitiavanao manohana ahy.