Asabotsy 4 Jolay 2020
Ry tany ! ry tany ! ry tany ! Henoy ny tenin’i Jehovah. Izao no lazain’i Jehovah... Jeremia 22:29, 30
“Izaho no Jehovah Andriamanitrao… Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany” (Eksodosy 20:2-3).
“Aza manonona foana ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao ; fa tsy hataon’i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany” (and 7).
“Manajà ny rainao sy ny reninao, mba ho maro andro ianao ao amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
Aza mamono olona.
Aza mijangajanga.
Aza mangalatra.
Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao ; aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza” (and 12-17).
“Aza manao izay sarotra amin’ny vahiny, na mampahory azy” (Eksodosy 22:20).
“Aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo, ho fanampiko” (Eksodosy 20:23).
“Aza manangan-tsaho foana… Aza manaraka ny maro hanao ratsy” (Eksodosy 23:1, 2).
Ho azo tohizina ny fitanisana ny zavatra raran’Andriamanitra mba tsy hataontsika. Ny tsirairay amin’ireo didy ireo dia momba ny fankasitrahana tokony hatolotra ho an’Ilay nahary antsika, na momba ny fanajana ny namantsika. Ilay Andriamanitra tia ny voariny no manome ireo didy ireo. Tena ho hafa mihitsy izao tontolo izao, raha mba henoina ireo torolalana ireo ! Ary mbola mandeha lavitra kokoa noho izany aza ny Baiboly, satria milaza mazava amintsika ihany koa izay andrasan’Andriamanitra amintsika.
(amin’ny heriny ny tohiny)