Alahady 5 Jolay 2020
Talanjona indrindra ny olona. Marka 5:42
Dia talanjona indrindra ny olona ka nanao hoe (momba an’i Jesosy) : Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra. Marka 7:37
Ny vahoaka rehetra nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony. Lioka 13:17
Azo antoka fa samy efa nitolagaga isika rehetra, nahita ny lanitra miravaka kintana, na masoandro milentika, na voninkazo kanto iray, na tavan’olona tsara tarehy… Mety efa nitolagaga aza angamba isika manoloana olo-malaza iray amin’ireo mpilalao sarimihetsika, mpihira, mpanao fampisehoana, na manampahefana…
Koa ahoana moa no tsy hiraika, raha mba mahafantatra, na dia sombiny kely indrindra monja aza, ny fiainan’i Jesosy Kristy ? Tsy manan-tsahala Izy : Ilay Andriamanitra Mpahary antsika no nanjary olombelona teo anivon’ny olombelona ! Mampahafantatra Azy antsika ireo mpanoratra ny filazantsara, izay nahita maso, nahare, ary nikasika Azy. Fony mbola Ankizy Jesosy dia nankatò ny ray aman-dreniny ary tsy nitsahatra nanoa an’Andriamanitra (Lioka 2:49). Tatỳ aoriana Izy dia fantatra ho Ilay mpandrafitra (Marka 6:3). Ary farany, nirahin’ny fitiavan’Andriamanitra Izy no nitety ny taniny, nanompo ny mpiara-belona taminy. Tam-panetren-tena sy tamin-kamoram-po lehibe no niresahany famelan-keloka tamin’izy ireo, fampihavanana, fitiavana, fiadanana. Mbola tsy nisy olona niteny tahaka Azy, ary ny hafatra nentiny dia fahasoavana sy fahamarinana. Nampahafantatra ampahibemaso ny ratsy Izy, mba hitondrany ho amin’ny famelan-keloka ireo izay mibebaka ; nampiononiny ireo izay mijaly…
Nefa manohina antsika ny fahalehibeazan’i Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, fa na dia nankahalaina aza Izy, nolavina, nivadihana, noratraina, dia nanaiky hohomboana teo amin’ny hazofijaliana, hisolo toerana antsika, mba hizaka ny famaizana sahaza ireo fahotantsika. Nanolotra ny ainy ho an’ireo fahavalony Izy, na dia nanana fahefana haka izany indray aza. Nitsangana tamin’ny maty Izy, nandresy ny fahafatesana. Ndao hanaiky hohazonina sy hiato mba hibanjina ny fiainan’i Jesosy, ny toetrany tsy manam-paharoa, mihoatra noho ny hoe mampitolagaga. Ndao handray izany hafatra izany avy amin’Ilay tia antsika toy izany, ka hiteny aminy, toa an’i Tomasy, hoe : “Tompoko sy Andriamanitro !” (Jaona 20:28).