Alatsinainy 6 Jolay 2020
Mahari-po Jehovah sady be famindrampo, mamela heloka sy fahadisoana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka. Nomery 14:18
Tantarain’ity mpino iray ny tantara-na mpiara-monina aminy, izay niresahany matetika momba ny finoana an’i Jesosy Kristy.
Nitsangantsangana tany amin’ny tandavan-tendrombohitra Alpes izy io, no tsy nahazaka azy ny tampon-dranomandry nohitsahiny, ka saiky maty an-drano tao amina farihy iray izy. Indray mandeha koa, nivadika noho ny tafiotra mahery ny sambo lay nentiny, ka ny mpamonjy voina teny an-dranomasina no nanavotra ny ainy. Teo amin’ny faha-40 taonany izy dia sitrana tamina aretina homamiadan’ny ra, ary mbola nomen’Andriamanitra tombon’andro dimy ambin’ny folo taona. Ary farany, indray hariva nisy oram-baratra, dia nianjerana hazo ny fiarakodiany, ka maty teo no ho eo izy.
Lehilahy naha te ho tia izy io. Nahafantatra ny Baiboly izy, nefa toa tsy nahatsapa mihitsy ho nila Mpamonjy.
Na izany aza, mba nohenoiny ihany ve ireo fampitandremana maro nomen’Andriamanitra azy ? Nifarana tampoka ny fiainany, tamin’ny indray mipy maso no nidirany ho ao amin’ny mandrakizay ! Andriamanitra irery no mahalala raha niaiky ny tenany ho mpanota izy na tsia, raha nandray ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay tamin’ny finoana nyTompo Jesosy.
“Indro, izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra indroa amin’ny olona, eny, intelo aza, mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ny fahazavan’aina” (Joba 33:29-30).
“Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka ?” (Romana 2:4).