Talata 7 Jolay 2020

Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana. Fitomaniana 3:26

Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko aho ; tahaka ny zaza efa maoty eo amin-dreniny. Salamo 131:2

Ho anao ny fanginana sy ny fiderana, Andriamanitra ... ô ! Salamo 65:1

 

Fanginana sy vavaka

Ao amin’ny bokin’ny Salamo dia ahitana vavaka isan-karazany : antso vonjy, fitarainana, fiderana, fisaorana… Ny salamo sasany aza dia mampifandray ny vavaka amin’ny fanginana. Ny Salamo 131, ohatra, dia miresaka ady anaty mba hananana ny fiadanan’Andriamanitra, toa zaza nihalehibe ka tsy maintsy nanaiky nisara-nono, nefa mitoetra eo anilan’ny reniny hatrany, satria matoky azy.

Ahoana no hahatongavana amina fitoniana toy izany ? Indraindray dia mangina isika, fa ao anatintsika kosa miady hevitra mafy, satria mifanandrina amin’olona foronina ao an-tsaina, na miady amin’ny tenantsika ihany. Ny hoe mihazona ny fanahy ho ao anaty fiadanana, dia midika fiverenana amin’ny fahatsoram-po sy fanetren-tena : “Tsy nisaintsaina izay zavatra ambony loatra aho, na izay saro-pantarina tsy takatro” (Salamo 131:1). Ny hoe mangina, dia ny miaiky fa tsy afaka manaisotra samirery ny zava-manahirana ahy aho. Ny hoe mangina, dia ny mamela ho an’Andriamanitra izay zavatra tsy takatro sy tsy haiko.

Ny safotofoton’ireo eritreritsika dia azo oharina amin’ny sambokelin’ny mpianatra natopatopan’ny alon-drano teny amin’ny ranomasin’i Galilia, kanefa Jesosy natory. Isika ihany koa, izay mino, dia mahatsapa tena ho very, indraindray, mitebiteby, tsy mahita fiadanana, nefa Jesosy dia te hamonjy antsika. Toy ny nampanginany ny rivotra sy ny ranomasina, “ka tony tsara ny andro” (Marka 4:35-41), no ahafahany mampitony koa ny fontsika korontanin’ny tahotra sy ny ahiahy. Apetraho amin’Andriamanitra ny fanantenantsika. Rehefa mitsahatra ny teny sy ny safotofoton’ny eritreritra, dia Andriamanitra no deraina ao anaty fanginana feno fankasitrahana sy amin’ny finoana mitolagaga.