Alarobia 8 Jolay 2020
Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga ... ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay. Joda 7
Hoy Jesosy taminy (tamin’i Tomasy) : Satria nahita Ahy ianao, dia nino ; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. Jaona 20:29
Araka ny Baiboly, Sodoma dia tanàna eo atsimon’ny Ranomasina Maty, ao amin’ny tany antsoina ankehitriny hoe Jordania. Misy mihevitra fa i Steven Collins, mpahay fahagola amerikana, sy ny mpiara-miasa aminy, no nahita azy io, niafina ao atsimon’ny lohasahan’i Jordana.
Ny andinin-tSoratra Masina nomena antsika androany dia mampahatsiahy antsika ny nandravana tanteraka an’i Sodoma sy ireo tanàna nanodidina azy, noho ny fahavetavetan’ny mponina tao. Porofo miharihary eo anatrehan’ny olona rehetra izany fa tsarain’Andriamanitra ny faharatsiana rehefa mihoa-pampana. Nefa ve ny fahitana toerana fahagola mampiseho izay nambaran’ny Baiboly, mba mitaona ny olona hino azy ? Tsia, fa misy aza mpaniratsira “minia” manao ho toy ny tsy nisy ny Safodrano (2 Petera 3:5-6), ohatra, ary mikaroka porofon’izany ara-tantara nefa tsy vonona hanaiky ireny akory.
Toa an’i Tomasy, ilay mpianatr’i Jesosy, dia maro ankehitriny ny olona mandà tsy hino zavatra tsy hitany porofo azo tsapain-tanana eo ambany masony. Nefa “ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17). Raha mino olona noho ny teniny fotsiny, dia mampiseho aminy fa matoky azy. Raha mino izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, dia manome voninahitra Azy, ary Andriamanitra manisy hasina izany finoana izany, ka manafaka ny mpino amin’ny fahamelohany ary maneho ny tenany aminy.
Ry kristiana, aza mitady hanamafy orina ny finoantsika amin’ny fivoaran’ny haifahagola : ny siansa mantsy dia sehatry ny olombelona, izay nomen’Andriamanitra fahiratan-tsaina lehibe. Ny finoana kosa dia sehatr’Andriamanitra, Izay tsy mila na inona na inona ankoatra ny Teniny, mba hinoana sy hahafantarana Azy.