Alakamisy 9 Jolay 2020

Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery ; very hevitra, nefa tsy mamoy fo ; enjehina, nefa tsy nafoy ; potraka, nefa tsy maty. 2 Korintiana 4:8-9

 

Sanganehana hoe ?

Nandalo fotoan-tsarotra i Davida mpanjaka, ary ireo salamo nosoratany dia manoritsoritra amintsika ny fihetseham-pony, ny fanontaniany, ary indraindray ny hakiviany. Mampianatra ny mpino ankehitriny izy rehetra ireny.

— “Rava ny fanorenana, ka inona indray no azon’ny marina atao ?” (Salamo 11:3). Fanontaniana mety hapetratsika amin’ny tenantsika ihany koa izany, manoloana ny fiovan’ny fomba fiaina sy ny lalàna eo amin’ny firenentsika. Aoka anefa hotsarovantsika fa Andriamanitra no mametraka ny manampahefana sy ny mpitondra fanjakana (Romana 13:1). Aoka isika hatoky Azy, satria voafehiny avy eny amin’ny “tempoliny masina” ny zavatra rehetra (Salamo 11:4).

— “Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy ; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ny zanak’olombelona” (Salamo 12:1). Mety hisy eritreritra toy izany tonga ao an-tsaintsika, mahita fa mpino vitsy dia vitsy no mba manodidina antsika. Nefa aoka isika hitandrina, sao manao toy ny mpaminany Elia, izay nihevitra ny tenany ho hany mahatoky, kanjo mbola nisy 7000 hafa teo amin’ny fireneny (1 Mpanjaka 19:1-18).

— “Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany ? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko ?” (Salamo 13:1). Ny zavatra sarotra indrindra, angamba, dia ny fahatsapana fa toa tsy mahare antsika intsony Andriamanitra, ary toa mivavaka tsy mahazo valiny isika. Hoy anefa Jesosy : “Mangataha, dia homena ianareo” (Lioka 11:9), ary Izy dia Ilay “Andriamanitra tsy mahay mandainga” (Titosy 1:2). Na tsy eo no ho eo aza ny valim-bavaka omeny, dia aoka isika tsy hiahiahy ny amin’ny fahendreny sy ny fitiavany.