Zoma 10 Jolay 2020

Ary aoka tsy ho mpanompo sampy ianareo tahaka ny sasany tamin’ireny, araka ny voasoratra hoe : “Ny olona nipetraka hihinana sy hisotro, dia nitsangana hilalao.” 1 Korintiana 10:7

 

Sakafo sy lalao

Tamin’ny fotoana efa nampitotongana ny fanjakana romana, dia olona marobe midonana-poana sady tsy nanana fidiram-bola no nialokaloka tao Roma : tantsaha nesorina tamin’ny taniny, mpikarama an’ady fahiny, olona natao sesitany avy tamina firenena maro. Koa dia nikarakara fizarana sakafo maimaimpoana ny amperora, mba hampitony ny hanoanan’ireo olona rehetra ireo. Ny mbola tokony natao koa dia izay zavatra hanary dia ireo tsy an’asa ireo, mba tsy hampikomy azy. Koa ho amin’izany dia nanorina kianja boribory midadasika hodidinina fipetrahana manao ambaratonga ny amperora, ary nikarakara lalao teny amin’ireny kianja ireny. Fampisehoana isan-karazany no natao, nanomboka tamin’izay lozantany indrindra (kristiana asaina viravirain’ny bibidia) ka hatramin’izay tena nampitolagaga (fifaninanana hazakazaka an-kalesin-tsoavaly, ary na ady an-tsambo koa aza). Rehefa nihahenjana ny fanoheran’ny vahoaka, dia nifamory marobe ireo izay tsy faly ary nihorakoraka mafy hoe : “Omeo sakafo sy lalao izahay e !” (“Panem et circenses”). Izany toejavatra izany no nitarika ny faharavan’i Roma.

Ankehitriny ny fiarahamonina manindrahindra ny fanjifana dia manolotra izay rehetra mety ho fampisehoana ho an’ny olona, mba hamenoana ny sainy. Tolorana fialamboly mahaliana azy izy, eny amina kianja filalaovana midadasika, na faritra fisintonana mpijery, na eo amin’ny fahitalavitra, mba hanakonana vetivety ny tena zava-misy eto amin’izao tontolo izao. Ary ao anatin’izany rehetra izany, dia hadino Andriamanitra.

Na ny kristiana aza dia mety ho voatarik’izany tolotra omen’izao tontolo izao izany. Aoka isika ho mailo, ary tsy ho sasatra hanambara ny hafatra fampitandreman’Andriamanitra, dieny mbola tsy tonga ny andro fitsarana. Anio dia mbola atolotra ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Makà fotoana handraisana izany sy hifantohana amin’ireo zava-misy haharitra mandrakizay.