Asabotsy 11 Jolay 2020
Mahereza tsara, ary fantaro sy izahao izay ataonao. 1 Mpanjaka 20:22
Aza matahotra ianao... Izaho no hamonjy anao, hoy Jehovah. Isaia 41:14
“Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra” (Deoteronomia 6:5). — “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Levitikosy 19:18). — “Izaho (Jesosy) kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo” (Matio 5:44). — “Aoka ny teninareo ho Eny, eny ; Tsia, tsia” (Matio 5:37). — “Aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka” (Efesiana 4:32). — “Samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka koa ny vavy hanaja ny lahy” (Efesiana 5:33). — “Na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany” (Matio 7:12). — “Aoka ho tanteraka ianareo, toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra” (Matio 5:48)…
— Aoka izay ! Tsy ho vitako mihitsy izany. Sasa-poana aho manao anakampo hoe mba hahafinaritra tokoa izany tontolo izany, ilay tontolo araka ny ilan’Andriamanitra azy, saingy tsy tratran’ny heriko ny hanatanteraka izany !
— Ny miaiky izany no dingana voalohany hidirana ao amin’io tontolo fantatrao fa “mahafinaritra” io.
— Tsia ! raha izaho samirery, tsy hahavita izany !
— Mbola marina koa ny teninao, ka angataho Jesosy hanampy anao. Tsy avelany na oviana na oviana ho ao anaty fikorontanan-tsaina izay miaiky ny tsy fahafahany mankatò an’Andriamanitra. Henony izany fiekena izany, ka raha mino ianao fa maty noho ny fahadisoantsika Izy ary nitsangana tamin’ny maty, dia hamaly anao Izy, hamela ny helokao, ary hanome anao ny fiainana mandrakizay. Amin’ny alalan’izany fiainam-baovao izany, sy noho ny fitiavany, dia ataony afaka mankatò Azy sy sambatra mankatò Azy isika.
(amin’ny heriny ny tohiny)