Alahady 12 Jolay 2020
Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona ; loary eo anatrehany ny fonareo ; Andriamanitra no aro ho antsika. Salamo 62:8
Manirery sy malahelo aho, mandeha toa very.
Mirenireny eto amin’ity lalana ity, mangabakabaka sy tsy manan-tanjona.
Iza no hanafaka ahy amin’ireo tahotra rehetra,
Sy hamonjy ahy amin’ireo haketrahana rehetra ?
Iza no ho afaka hahatakatra ny hadalana hoe :
Mba te ho tonga eo amin’ny faran’ny fiainako aho,
Toy ny voninkazo eny an-dalana
Izay mitombo dia maty.
Eny an-danitra, dia mamafa ny rahona rehetra ny tsio-drivotra,
Izaho ve tsy vorona mandalo ihany, eto amin’ity tany ity ?
Iza no hahay hitia ahy amin’izao toetrako izao ?
Iza no hahatakatra ny manjo ity fo mandositra ?
Iza no hamafa ny tomaniko sy hitondra ny fahoriako ?
Iza no hanafaka ahy sy hanorotoro ny fatorako ?
Akimpiko ny masoko ary mandohalika aho mba hivavaka,
Ka ao anatin’izany fanginana mahatalanjona hitako indray izany,
Dia misy fiadanana mamy manenika ny foko,
Mamela ahy higoka Fitiavana tsy misy fetra…
Manatona ny Tompo Jesosy ary manolo-tanana ahy,
Mamafa ny ranomasoko Izy, manolotra ahy ilay Fitiavany tsy mety ritra.
Geneviève
“Efa mby akaiky ny Tompo. Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:5-7).