Alatsinainy 13 Jolay 2020
Ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino... Fa ny fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny olona ; ary ny fahalemen’Andriamanitra mahery noho ny olona. 1 Korintiana 1:21, 25
Ny tantara dia mampahafantatra antsika fa mahatalanjona ny hafainganan’ny nielezan’ny Filazantsara nandritra ireo taonjato voalohany amin’izao vanimpotoana iainantsika izao. Niitatra nanerana ny tany fahagola manontolo ny finoana ny Tompo Jesosy, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao, na dia nahery vaika aza ny fanenjehana. Tertullien, anisan’ireo antsoina hoe rain’ny Eglizy, dia nilaza fa « ny ran’ireo maritiora dia nanjary voa nampitsimoka ny Eglizy ».
Ohatra iray tamin’ny marobe hafa i Blandine tany Lyon, tamin’ny taona 177. Tovovavy andevo kely aina aoka izany izy io. Nogadraina an-tranomaizina izy, dia nampijalijaliana, satria kristiana. Mba hahazoany fahafahana, dia tsy nisy notakiana taminy afa-tsy ny handà ny Tompony. Natoky ny olona fa hanao izany izy, satria tovovavy narefo izaitsisy. Koa tsy nisy izay tsy natao taminy : kapoka karavasy, seza vy nodorana mba hanjary mena, ary farany ny biby masiaka, izay nahagaga ny rehetra fa tsy nisy nety hamely azy ! Navoaka ny kianja izy, natokana ho amin’ny andro faran’ny lalao ho an’ny vahoaka. Koa natao tanaty harato iray izy, ary nasaina nototoina ombilahy dia. Tsy maintsy notrobarana lefona izy vao maty. Nahatoky hatramin’ny fahafatesana izy (Apokalypsy 2:10).
Azo sary an-tsaina ireo mpampijaly, nody tany an-tranony ny harivan’io. Raha ary saina izy ireo, dia tsy maintsy niaiky fa resy, menatra sy fadiranovana. Nahita tovovavy kristiana nanana finoana namirapiratra aoka izany izy ireo. Nisy akony be lavitra noho ny toriteny maro ny sorona nataony.