Talata 14 Jolay 2020
Izay fantatra ny amin’Andriamanitra dia miseho ao am-pon’ireny, fa nasehon’Andriamanitra taminy. Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony ; ka dia tsy manan-kalahatra ireo. Romana 1:19-20
Andriamanitra dia tsy hita maso, ambonin’ny zavatra rehetra, mitoetra eo amin’ny “mazava tsy azo hatonina”. Nefa ahafahantsika mahafantatra zavatra momba Azy ihany ny andalan-tSoratra Masina nomena antsika androany.
— Nasehon’Andriamanitra antsika ny hay fantarina momba Azy. Tiany hanana fahalalana mivantana ny aminy ny olona tsirairay. Ny fanambarana voalohany nomeny dia ny tontolo manodidina antsika. Hatramin’ny niandohan’ny zanak’olombelona dia mampisaintsaina ny tsirairay ny zava-mahatalanjona eo amin’ny voary noarìna.
— Ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy : Tsy hita maso ny heriny, fa toy ny miafina any ambadiky ny raha (matière) sy ny fotoana. Tsy misy na inona na inona hita maso momba ny maha Andriamanitra Ilay Mpahary, any ambonintsika tanteraka Izy. Tsy hitantsika maso ny toetrany, saingy nomen’Andriamanitra antsika ny fahafahana hahatsapa izany.
— Fantatra amin’ny zavatra nataony. Na ankizy aza, dia efa manontany hoe iza no nanao izao tontolo izao. Fanontaniana tsy azon’ny saintsika ihodivirana izany. Izay zavatra misy, dia manana ny loharano nipoirany fa tsy tongatonga ho azy tamin’izao. Araka izany, raha mandinika aho, dia afaka mihevitra ny herin’Andriamanitra, mihevitra ny maha mandrakizay Azy.
— Tsy manan-kalahatra ny olona. Satria efa hatrany am-bohoka ny olona tsirairay no nomena izany fieritreretana ny amin’Andriamanitra izany, dia tsy misy manan-kalahatra raha tsy mitady, tsy manaja, ary tsy misaotra Azy. Nefa dia novain’ny olona ho fanehoana hafa isan-karazany izany fiheverana an’Andriamanitra tany am-boalohany izany. Ohatra, ny olona môderina dia manao an’Andriamanitra ho raha (matière) sy angovo. Nefa mbola miteny amintsika hatrany Andriamanitra, amin’ny alalan’ny voary, ary amin’ny fomba maro aoka izany !