Alarobia 15 Jolay 2020
Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova ; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa. Romana 8:16, 17
Rehefa nofoanana ny Didy momba ny fahalalahan’ny fivavahana navoaka tany Nantes (Frantsa) tamin’ny taona 1685, dia nohenjehina ny protestanta ary norarana ny fivoriany. Nefa dia nivory niafina tany anaty ala ihany izy ireo isan-kariva, niantehitra tamin’ny nampanantenain’i Jesosy ny mpianany hoe : “Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho” (Matio 18:20). Amin’ny maha mpianadahy azy ireo, dia tany izy no nanodidina an’i Kristy, Ilay Mpamonjiny maty sy nitsangana tamin’ny maty.
Ho any amin’ireny fivoriana ireny ity tovovavy iray, no nosakanana miaramilan’ny mpanjaka : « Ho aiza ianao, efa hariva be toy izao ? » Natahotra ny hahatonga fisamborana olona maro ilay zazavavy, raha milaza ny marina. Tsy te handainga koa anefa izy. Kinga saina izy namaly hoe : « Maty ny anadahiko. Hanao fivoriam-pianakaviana izahay, hamaky ny didim-pananana nataony. » Afaka nanohy ny lalany izy, saingy nony niverina, dia mbola voasakan’ilay miaramila mailon’ny mpanjaka teo ihany. « Nanao ahoana, tsara fanahy taminao ve ny anadahinao ? — Eny, natolony ho ahy ny zavatra rehetra. »
Ny Testamenta Vaovao (fizarana faharoa amin’ny Baiboly) novakina tamin’io fivoriana natrehin’ilay tovovavy io dia nampahatsiahy azy fa ny Zanak’Andriamanitra, Izay tonga tetỳ an-tany, dia nanolotra ny ainy ho azy. Nino izany vaovao mahafaly izany izy, ka nanjary zanak’Andriamanitra, araka ny teny fampanantenana hoe : “Izay rehetra nandray Azy (nandray an’i Jesosy ho Mpamonjy) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12). Ary raha zanak’Andriamanitra isika, dia … “sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa”.