Alakamisy 16 Jolay 2020

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary ; tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. Lioka 5:31-32

 

Mpivarotra nofinofy

Angamba ianao efa nahazo taratasy dokam-barotra milaza fa nitsikian’ny vintana ianao, ka hoe misy fanomezana maimaimpoana halefa ho anao, sns. Tolotra toy izany koa no tonga ao anatin’ny tranon-kalantsika, arahina dokam-barotra tsy tambo isaina. Ampanantenaina antsika ny fahasalamana, harena, fahombiazana… Mahagaga fa tena mandaitra amin’olona marobe ny dokam-barotra ataon’ireny mpivarotra nofinofy ireny.

Fa rehefa teny fampanantenana avy amin’Andriamanitra kosa no resahina, dia misalasala sy mahimahina fatratra ny mpiara-belona amintsika. Olona maro, mihaino tsara ireo teny fampanantenana faran’izay mamitaka, no manampin-tsofina mba tsy handre ny tolotra omen’ny Filazantsara ! Ny sasany, mihevitra fa tsy mila na inona na inona, ary indrindra tsy mila an’Andriamanitra ; ampy ho azy ireo hono izao tontolo izao. Ny hafa indray miezaka manorina samirery ny fahasambarany.

Nefa ny Tompo Jesosy dia mitondra ny fahasitranan’ny fanahy, ny fitsaharan’ny fieritreretana, ny fiadanan’ny fo. Tiany homena ny fiainana mandrakizay ny olona mino fa Jesosy dia manana fahefana etỳ an-tany hamela heloka (Lioka 5:24). Iza àry no handray ireo fahasoavana omen’Andriamanitra maimaimpoana, noho ny fitiavany ? Ireo izay tsy afa-po amin’izao tontolo izao, ireo izay tsy avelan’ny fieritreretany hanana fitoniana, ireo izay mihevitra fa mikorontana sy rava ny zavatra rehetra eto an-tany.

Raha anisan’ireo ianao, antsoy ny Mpamonjy, dia hamaly anao ! Mihaino ny antsonao ny fony ary vonona hamonjy anao ny tanany. Hoy Jesosy : “Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37).