Zoma 17 Jolay 2020
(Hoy Jesosy :) Na iza na iza no te ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy. Marka 10:43
Mifanompoa amin’ny fitiavana. Galatiana 5:13
Niady hevitra ny mpianatr’i Jesosy mba hahalalany izay hanana toeram-boninahitra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Dia nasainy nanatona Azy teo aminy, ary nilazany hoe : “Na iza na iza no te ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’izy rehetra. Fa ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro” (Marka 10:44-45). Ry kristiana namana, rehefa manatona an’i Jesosy ihany isika, vao afaka hahita ny tena fahalehibeazana araka ny fijerin’Andriamanitra, dia ny fifanompoantsika.
Misy fahalehibeazana ao amin’ny hoe manompo, satria amin’izany dia ny fitiavana no miasa. Nanome sary an’ohatra momba izany fahalehibeazana ara-toe-panahy izany Jesosy, tamin’ny nanasany ny tongotry ny mpianany (Jaona 13). Nanao izany Izy, Ilay Tompo, Ilay Mpampianatra, izany hoe naka ny toerana ambany indrindra, natokana ho an’ny andevo, ary nitaona ireo mpianany mba hanao toy izany koa. Fihetsika mampita fampianarana io nasehon’i Jesosy io, môdely fanetren-tena, fitiavana, fanompoana.
Antsoina isika hifanompo ao amin’ny fitiavana, satria rehefa manompo ny hafa isika, dia manompo an’i Jesosy mihitsy.
“Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany… Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona… fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo” (Kolosiana 3:17, 23-24).