Asabotsy 18 Jolay 2020

Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra... Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika. 1 Jaona 3:1, 2

 

Ny Fanambarana ny Zon’ny zanak’Andriamanitra (3)

“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

“Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13).

“Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany” (Jaona 1:12).

“Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova ; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa” (Romana 8:15-17).

“Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo… Fa ny vokatry ny Fanahy ... dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po” (Galatiana 5:16, 22, 23).

— Eny, azonareo tsara izany ! Andriamanitra dia manome zo ho an’ireo izay matoky azy. Ny voalohany amin’ireny zo ireny dia ny fananganany azy ireo ho zanany, ary ny fanomezany azy ireo ny ainy —fiainana mandrakizay— sy ny toetrany, izay afaka manao ny tsara sy mankatò ireo didiny. Omeny azy ireo koa ny Fanahiny, Izay monina ao anatin’izy ireo, ka mahatonga azy ireo ho afaka maneho eto amin’ity tontolo ity ireo toetran’i Kristy.