Alahady 19 Jolay 2020
Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry moana eo anoloan’ny mpanety azy ; ny fietren-tena no nanaovana Azy resy lahatra ; ary ... ny ainy nesorina tamin’ny tany... iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany ? ... Ary Filipo ... nitory an’i Jesosy taminy. Asan’ny Apostoly 8:32-35
« Tany Israely aho no teraka. Ny ray aman-dreniko dia Jiosy sisa velona tamin’ny fandripahan’ny Alemana ny Jiosy tany Eoropa nandritra ny 12 taona, mandra-pifaran’ny ady lehibe faharoa. Rehefa tovovavy aho, dia nanomboka nahaliana ahy ny ara-panahy. Noheveriko fa tao amin’ny bodisma no nisy ny fahamarinana. Nandalo fotoam-pitoniana aho tao, nefa nandalo horohoro koa, satria ny fisaintsainana lalina tatsinanana dia manokatra ny fanahy ho amin’ny tontolo miafina. Koa nanapa-kevitra hiova lalana aho.
Nanambady aho. Nitodika ho amin’ny fahombiazana araka asa ny ezaka nataonay, nefa fantatro tato anatiko lalina fa misy zavatra tsy milamina. Nifandimby teny ny taona, nefa tsy nahita ny fahamarinana aho. Nahatsapa ny tenako ho tsy nahomby aho, satria tsy nanjary olona tsaratsara kokoa, na feno fahendrena, na feno fiadanam-po. Natahotra ny fahafatesana aho, ary natahotra koa ny hiatrika ny fahafatesan’ireo havako.
Ny reniko no voalohany nino an’i Jesosy. Taona 2001 tamin’izay. Niresaka betsaka tamiko ny momba an’i Jesosy izy. Mba hahafaly azy, dia niaraka taminy izahay mivady, indray alahady maraina, nanatrika fanompoam-panahy kristiana. Voakasiky ny fanatrehan’Andriamanitra izahay tao, ary tena tohina nahita ny mpino rehetra nafana fo nidera an’Andriamanitra. Tamin’izay vao hitako ny zavatra nilaiko efa hatry ny elabe, dia ny fifaliana mitsaoka an’Andriamanitra. Rehefa tafaverina tany an-trano aho dia nanomboka namaky ny Baiboly, ka nahatsapa fa Andriamanitra no Raiko any an-danitra, ary Jesosy no Ilay Mesia. Nangataka famelan-keloka taminy aho, noho ny naniratsirako Azy ela aoka izany tamin’ireo fahotako, ary nitomany teo anatrehany nandritra ny andro maro, namela Azy hameno ahy amin’ny fitiavany sy ny fahasoavany ary ny famelany heloka. Ankehitriny izaho sy Ruben vadiko, miaraka amin’ny reniko, dia nanjary ankohonana tafaray ao anaty fitiavana sy fifaliana. »
Judith Nery