Alatsinainy 20 Jolay 2020

Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany ; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany. 1 Korintiana 6:18

Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy. 2 Timoty 2:22

 

Ny hany vahaolana : ny fandosirana

Angatahin’Andriamanitra ny zanany mba hanohitra ny devoly (Jakoba 4:7 ; 1 Petera 5:9). Koa zava-dehibe ny miomana ho amin’izany ady izany, ka mandray “ny fiadian’Andriamanitra” rehetra (Efesiana 6:13). Fa misy kosa sehatra iray tsy tokony hanandramana manohitra, fa ny hany vahaolana dia ny mandositra : io dia ny fakam-panahy momba ny firaisana ara-nofo. Andriamanitra no namorona antsika, fantany tsara ny fetrantsika, ary teneniny mazava isika mba handositra ny toejavatra rehetra mety hitarika antsika hijangajanga, izany hoe hanao firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana.

Manome lesona antsika ny ohatra momba ny mpanjaka Davida (2 Samoela 11). Voatarika hitazan-davitra ny vadin’i Oria izy, avy eo nijangajanga, ary farany namono olona. Mampiseho izany fa tokony hambenantsika ny fijery sy fisainantsika, mba tsy hamela ny fitsiriritantsika hiteraka ny voa ratsiny. Ary tena mbola mitombina mandraka ankehitriny izany, satria miha maro kokoa hatrany ny fomba ampiasain’ny devoly handavoana antsika : gazety boky, horonan-tsarimihetsika, video, internet…

Aleo isika manao toa an’i Josefa, lehilahy iray resahin’ny Testamenta Taloha ny fiainany : rehefa tafalatsaka tsy fidiny tao anaty toejavatra mety hitera-doza izy, dia tsy nisalasala fa nandositra (Genesisy 39:7-23).

Aoka isika ho malina ; i Satana, ilay fahavalon’ny fanahintsika, dia miezaka mafy hanimba ny fiainantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona, amin’ny fijangajangana. Aza manome vahana an’i Satana. Koa aoka hitandrina tsara “mba tsy hitondra… tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, … fa ratsy izao fiainana izao” (Efesiana 5:15, 16).