Talata 21 Jolay 2020
Fa Kristy no anton’ny ahavelomako. Filipiana 1:21
Miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:14
« Navelantsika hirodana ny kolontsaintsika, izany no nampipoitra indray ny habibiana. Nila soridalana hifikirana ireny tanora nihamafy fo ireny, nefa fiarahamonina tsy misy fototra iorenany, tsy misy vina iraisana ary tsy misy fefy no nomentsika azy. Nila ny ara-panahy izy ireny, fa isika kosa nanangana ho soatoavina faratampony ny fotokevitra poaka aty mifototra amin’ny tsy fifampidiran’ny raharaham-panjakana sy ny raharaham-piangonana, ary nametraka ny fanjifana ho hany lalana mahatonga ho lavorary. Tsy mahafa-po an’iza na iza intsony ny kolontsaina momba ny fialamboly irery ihany sy fanjifana tsy misy fetra. Fotoana izao hanomezantsika filamatra ho an’ireo tanora ireo. »
Izany fahatsapana tsy fahombiazana nambarana mpanao gazety iray izany, momba ny fiarahamonina tandrefana, dia maneho fa latsaka anaty fahabangana ny olombelona raha tsy manana loharanon-kery ara-panahy. Fahatsapana tena mitombina izany, saingy tsy narahina sosokevitra tandrify. Andriamanitra irery ihany no afaka manome izany. Ny fandavana an’Andriamanitra eo amin’ny fiarahamonina dia mahatonga hirenireny. Tsy te hihaino an’Andriamanitra i Kaina, ka nanjary mpanjenjena sy mpirenireny tetỳ ambonin’ny tany (Genesisy 4) ; tsy nanana lalan-kaleha izy, tsy nanana tanjona, tsy nanana fanantenana, nandeha araka ny sainy, ka sorena sy ketraka.
Manome ohatra iray mifanohitra amin’izany ny Baiboly, dia ny an’ny apostoly Paoly. Voasakana teny amin’ny lalan’ny herisetra sy ny fahaverezan-tsaina nizorany izy ka nahita, tao amin’i Jesosy, Ilay nanjary fiainany, môdeliny, tanjony, heriny, ary fifaliany. Niova lalana ny fiainany, nanjary nisy dikany sy tanjona. Tsy filamatra no hitany, fa ny tena zava-misy, hitany tao amin’i Jesosy Kristy niaraka taminy. Tsy mandà an’iza na iza Andriamanitra, fa mamonjy, mitari-dalana, ary manome hoavy ho an’izay te hihaino ny teniny sy te hankatò Azy. “Atongilano ny sofinareo ka mankanesa atỳ amiko — Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo” (Isaia 55:3).