Alarobia 22 Jolay 2020

Jesosy ... nitoetra tany ivelany tamin’ny tany foana ..., dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny. Marka 1:45

Talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany. Marka 11:18

 

Mpaminany

Taoriana kelin’ny nivoahany ho mpandresy avy tany Egypta, ny vahoaka hebreo dia tojo toejavatra nampangorohoro : ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra teo amin’ny tendrombohitra Sinay, niharihary tamina afo sy feo. Natahotra ny Hebreo noho ny fahamasinan’Ilay Mpahary sy ny fahalehibeazany, ka nangataka taminy… mba tsy hisehoany amin’izy ireo toy izany intsony. Ary dia neken’Andriamanitra izany ! Nambarany tamin’izy ireo fa olona voafidy avy eo amin’ny rahalahin’izy ireo no hampitany ny teniny (Deoteronomia 18:15-18). Dia araka izany no nanoratana ny Baiboly. “Fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, tany aloha rehetra ; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy” (2 Petera 1:21).

Io teny ao amin’ny Deoteronomia io dia manambara ihany koa ny hiavian’i Kristy, Ilay Mpaminany ambony indrindra, mpitondra ny tenin’Andriamanitra. Jesosy dia natsangana avy teo amin’ireo rahalahiny Israelita : “Nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy” (Galatiana 4:4).

Nandritra ny fiainany dia nampianatra tany amin’ireo synagoga Jesosy. Ny olona nihaino Azy dia “talanjona … tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna” (Marka 1:22).

Ny olona dia tsy afaka nihaona amin’Andriamanitra ao amin’ny fiandrianany ; noho izany dia nanatona azy Andriamanitra, araka ny fahasoavany. Nanjary olombelona Izy tao amin’i Jesosy Kristy, ary nampianatra antsika tamim-pahefana. Vao manomboka ny Filazantsara araka an’i Marka dia izao no voasoratra : “Nankany Galilia Jesosy, nitory ny filazantsaran’Andriamanitra ka nanao hoe : Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara” (Marka 1:14, 15).