Alakamisy 23 Jolay 2020

Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra. Titosy 2:11

Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka ? Romana 2:4

 

Fahasoavan’Andriamanitra sy fahari-pony

“Fa any am-parany any dia hisy andro mahory” (2 Timoty 3:1). Tsy toe-javatra tena iainana ankehitriny mihitsy ve izany teny ao amin’ny Baiboly izany, nosoratana efa ho 2000 taona lasa izay ? Mitombo hatrany ny tsy fitoviana eo amin’ny manankarena sy ny mahantra, miha maro kokoa hatrany ny ady mipoaka na miotrika eo amin’ny samy firenena. Mangozohozo ny toekarena maneran-tany, misy fahavoazana goavana mitatao amin’ny tontolo iainana. Ary mbola loza lavitra noho izany aza, fa tsy mihatsara ny fon’ny olona. Fitiavan-tena, fahihirana, tsy fankasitrahana, habibiana, fiampangana lainga, famitahana… mbola eo hatrany ireo toetra nosoritsoritan’ny apostoly Paoly (2 Timoty 3:2-5).

Ary manampy fanamarihana hafa ihany koa ny Tenin’Andriamanitra : “Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira… manao hoe : Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fiaviany ?” (2 Petera 3:3, 4). Fanarabiana sy fametrahana fisalasalana manoloana ireo fampianaran’ny Baiboly : izany no mamaritra ny fihetsika ankapoben’ny olona amin’ny andro farany, satria be hambo izy ireo ka miezaka hanilika tanteraka izay rehetra mety ho fiheverana an’Andriamanitra.

Nefa mahari-po Andriamanitra, ka tsy sasatra manohy mampilaza ny antsony mitory fahasoavana. Antso ho an’ny rehetra izany. Ny ilaina dia ny mamaly izany, ary mitodika any amin’Ilay hany “Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona” (1 Timoty 2:5). Izany no hany lalana hialana amin’ny fahatezeran’Andriamanitra izay efa hihatra amin’izao tontolo izao (Kolosiana 3:6). Ilay Andriamanitra fitiavana dia “tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina” (1 Timoty 2:4). Ianao ve nefa te hovonjena ? Hoy Jesosy : “Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37). Te hanatona Azy ve ianao ?