Zoma 24 Jolay 2020

(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Lioka 21:33

Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Hebreo 13:8

 

Izay maharitra mandrakizay

Indraindray isika dia mitebiteby manoloana ny fivadibadihan’ity tontolo ity, miova haingana aoka izany ny zavatra rehetra ; nefa te hanome toky antsika Andriamanitra, ary misintona ny saintsika ho amin’izay maharitra mandrakizay.

“Kristy haharitra mandrakizay” (Jaona 12:34). Fahasambarana tokoa ny ahazoantsika mametraka ny tokintsika amin’Ilay “manana fisoronana tsy dimbiasina, satria maharitra mandrakizay Izy ; koa amin’izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy” (Hebreo 7:24-25).

“Ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay” (1 Petera 1:25). Ny tenin’ny olona dia maro, mihelina, mifanohitra, ary matetika feno lainga. Fa manoloana izany rehetra izany kosa, ny Tenin’Andriamanitra dia mitoetra amin’ny fotoana rehetra, toy ny tondroavaratra azo itokiana, manondro mandrakariva ny lalana mankany an-danitra.

“Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay” (1 Jaona 2:17). Izay manao ny sitrapon’Andriamanitra, voalohany indrindra aloha, dia izay mibebaka, miaiky ny fahotany amin’Andriamanitra, ary manaiky ny famelan-keloka atolony. Dia mahazo fiainam-baovao izy, ary manana antoka fa hiaraka mandrakizay amin’i Jesosy any an-danitra. Ambonin’izany, “ny fahamarinany maharitra mandrakizay” (2 Korintiana 9:9). Eo amin’io sehatra io, ny teny hoe “fahamarinana” dia manondro ny asa soa ataon’ilay mpino. Andriamanitra dia manaraka tsara izay rehetra ataonao ho Azy ary manisa izany ho ao amin’ny kaontinao momba ny mandrakizay. Fahasoavana toa inona moa izany !

Ry kristiana, tsy matahotra na inona na inona isika, mandrakizay ny fitahiana antsika.