Asabotsy 25 Jolay 2020
Indro, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao. Jeremia 32:17
Mijanòna, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra. Joba 37:14
Ny vahindanitra misy ny masoandro (antsoina hoe Voie lactée) dia manao sarina andohalambo lehibe eny ambony eny. Na amin’ny maso fotsiny aza dia hita eny, rehefa tsara ny andro, ny kintana marobe tsy tambo isaina sy ny zavozavon-kintana mifampidipiditra, samy manana ny famirapirany : ao amin’io vahindanitra io no misy ny planetantsika, ny planeta Tany. Ny fitambaran’ny kintana an-davitrisa marobe mandrafitra io vahindanitra io dia manana endrika kapila goavambe mihodina manodidina teboka iray, hono, toy ny tany mihodina manodidina ny masoandro. Izany rehetra izany dia vavolombelon’ny voninahitr’Ilay Andriamanitra Mpahary, manambara ihany koa ny heriny sy ny fahendreny.
Ianao ve nefa mba tonga saina fa Ilay Mpamorona io tontolobe mampitolagaga io dia mihevitra zavaboary bitika toy ny olombelona ihany koa ? Ny olona anefa dia nanome an’Andriamanitra antony sesehena tsy tokony hijereny azy ireo akory ! Na izany aza Andriamanitra dia mbola mampiseho amin’ny olona hatrany ny fitiavany ; tsy te hanameloka azy ireo Izy, fa te hamonjy azy ireo aza.
Matokia Ilay Mpahary, fa Izy no ho Mpamonjinao.
Rehefa mibanjina ny habakabaka midadasika aho,
Mibanjina izao tontolo rehetra mahatalanjona indrindra izao,
Dia mahita ny herinao
Etỳ an-tany sy any an-danitra.
Takatro ny maha bitika ahy,
Ny maha tsinontsinona ahy sy ny maha lehibe Anao.
Tsapako tanteraka ny fahalemeko,
Ry Andriamanitra, Mpahary mahery !
Nefa noho ny fitiavanao faratampony,
Dia nomenao ho ahy ho Mpamonjy
Ilay Zanakao mihitsy, Andriamanitro ô ;
Maty ho ahy mpanota Izy.