Alahady 26 Jolay 2020

(Fijoroan’ny apostoly Paoly ho vavolombelona :) Nony ilay nitataovovonana iny ny andro ... dia hitako teny an-dàlana fa, indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy... mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. Asan’ny Apostoly 26:13

(Tany an-tranomaizina ny apostoly Petera :) Indro, nisy anjelin’ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano. Asan’ny Apostoly 12:7

 

Ny hoe “Mamirapiratra” na “Mampahazava”, ao amina andinin-tSoratra Masina vitsivitsy

Mamirapiratra ao amin’i Kristy ny fahalehibeazana ara-toe-panahy sy fiandrianan’Andriamanitra —ny voninahiny. Jesosy Kristy mihitsy no “famirapiratan’ny voninahiny (voninahitr’Andriamanitra) sy endriky ny tenany indrindra” (Hebreo 1:3).

Rehefa niova tarehy teo anatrehan’ny mpianany telo lahy i Jesosy, “ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava” (Matio 17:2).

Andriamanitra dia mampamirapiratra ny fahazavany eo amin’ny mpino.

“Andriamanitra ... no nampahazava ny fonay ho amin’ny fahazavan’ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra eo amin’ny tavan’i Jesosy Kristy” (2 Korintiana 4:6).

Ny mpaminany Isaia dia nibanjina “mazava lehibe” namirapiratra tany Galilia, ary nanambara hoe : “Ny olona ... izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ny mazava” (Isaia 9:1).

Nihira i Davida hoe : “Ianao no jiroko, Jehovah ô ; Jehovah no mampahazava ny fahamaizinako” (2 Samoela 22:29). Ary mbola afaka miteny amin’Andriamanitra ihany koa izy hoe : “Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao ; fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, ka sahala ny mazava sy ny maizina” (Salamo 139:12).

Indray andro any ny mazava dia hamirapiratra amin’ny mpino.

“Fa ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro” (Ohabolana 4:18).

“Ny marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny fanjakan’ny Rainy” (Matio 13:43).

 

Fahasambarana tsy manan-tsahala, rehefa hamirapiratra eo amin’izy ireo

Any amin’ny fiadanana mandrakizay ny endriny mendrika hitsaohana !