Alatsinainy 27 Jolay 2020

Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako ..., ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ny masoandro. Mpitoriteny 2:11

Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny ; fa ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay. 1 Petera 1:24, 25

 

Maharitra noho ny varahina

Horace, poeta latina tamin’ny taonjato voalohany, dia nanomboka tononkalony iray tamin’ny andalana manetriketrika hoe :

 

Vitako ilay tsangambato maharitra noho ny varahina,

Avo noho ireo pyramidan’ny mpanjaka ;

Tsy misy na inona na inona hahay handrava izany.

 

Iza ankehitriny no mbola mamaky ny asasoratr’i Horace, ankoatra ny mpifaninana amina fanadinana sasantsasany na manam-pahaizana manokana momba ny fiteny tranainy ? Efa very ny votoatin’ny voninahiny, toy ireo pyramidan’ny mpanjaka izay norobaina ny harena tao anatiny.

Zava-poana ny zavatra rehetra eto an-tany. Ho levona ihany izy rehetra. Nefa misy asa iray mitoetra, satria tsy hain’ny olona natao izay hanadinoana azy, dia ny sorona nataon’i Jesosy Kristy.

Tsy nihena mihitsy, na kely aza, ny herin’ny Filazantsara. Ankehitriny, toy ny tamin’ny taonjato roapolo lasa, dia olona an’arivony maro no voaisotra isanandro tsy ho eo ambany fahefan’i Satana intsony. Nahoana moa no manana hery toy izany ny Filazantsara ? Satria avy amin’Andriamanitra.

Mbola henoy indray ny hoe : “Fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8). “Mahatoky ka tokony hekena amin’ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tetỳ ambonin’ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota” (1 Timoty 1:15).

Ianao ve mba anisan’ireo afaka miteny hoe : “Ny Zanak’Andriamanitra ... efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20) ?