Talata 28 Jolay 2020

Mpanompon’izay arahinareo [ianareo], na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin’ny fahamarinana. Romana 6:16

Koa raha ny Zanaka (Zanak’Andriamanitra) no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:36

 

Fandrika fanjonoana

Ny jono isanisany dia saiky mila karazana fandrika samy hafa, arakaraka ny trondro, ny vanimpotoana, ny toetrandro, ary na ny ora anjonoana aza. Ny devoly dia mpanjono tena mahay ; tsy misy miafina aminy ny fon’ny zanak’olombelona, ary hainy ny mahita ny fakam-panahy tandrify ny tsirairay. Tamin’ny avonavona —“Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo”— no nandavoany an’i Adama sy Eva, ireo razantsika voalohany. Tamin’ny vola no nividianany ny fieritreretan’i Jodasy. Misy fandrika hita miharihary, toy ny fiankinan-doha amin’ny fisotro mahamamo, ny zava-mahadomelina na ny fahavetavetana, izay mangeja olona marobe ; ny fandrika sasany kosa miafina kokoa, toy ny fahazaran-dratsy tokony hialana, na fifandraisana tokony hatsahatra… Dia voafandrika tsara ilay trondro.

Tsy latsa-danja kokoa ny jono any ambany ranomasina. Idinan’ny mpiantsitrika any amin’ny toerana fiereny ny hazany, tratrariny amin’iny mijanona eo amin’ny fanambanin’ny rano iny, ary trobarany tsy nahita ny nahatongavany akory. Toy izany koa, ny hakamoana sy ny fidonanaham-poana dia mahatonga antsika tsy hanam-piarovana, manoloana ny fanafihan’ny devoly.

Ampiasain’i Satana ihany koa ny jono amin’ny harato. Rehefa matahotra ny hiavaka amin’ny hafa, dia manaiky ho voajono miaraka amin’izy ireo, amin’ny “ota izay malaky mahazo antsika” (Hebreo 12:1). Ny hoe “net” (na Internet), amin’ny teny anglisy, dia midika ihany koa hoe haraton-jono… Kitika iray fotsiny dia mahatonga ho hazan’ny fahavalo, ary faran’izay sarotra ny miala amin’izany, avy eo !

Koa aoka ho mailo. Satana dia mahery sy fetsy noho isika. Saingy efa naharesy azy Jesosy, ary te hampandresy antsika.