Alarobia 29 Jolay 2020

Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. Hebreo 2:18

Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory. Hebreo 4:16

 

Ilay ako

Vao avy nahafantatra ny atao hoe ako i Mazoto, zazalahy kely efa-taona. Niantso mafy araka izay tratrany izy, ka injany nisy feo mamaly azy avy eny am-pitan’ny lohasaha. Tamin’ny voalohany izy dia nihevitra fa nisy zazalahy iray hafa mananihany namerina izay nolazainy, nefa vetivety foana dia takany fa ny feony ihany no miverina aminy. Koa dia nijanona tsy niantso intsony izy. Tsy misy tombony kely akory, tsinona, azo avy amin’io ako mandeha ho azy io !

Rehefa mijaly isika, na ara-batana izany na ara-tsaina, dia mahazo hery raha misy olona mahatakatra ny manjo antsika. Fantatra tsara izany filàn’ny tena izany. Tiantsika ny hahazo ako noho ny fijaliantsika. Izao anefa, ampy ve ny feo mamaly antsika hoe : « Izaho koa nandalo toejavatra mitovy amin’izao manjo anao izao », mba hananantsika herim-po hiaretana izany ? Tsia, raha mamerina fotsiny izay nolazaintsika ilay feo, dia ho fanampiana marefo loatra, ka ho leo miantso isika. Feo hafa no ilaintsika, miteny hoe : « Nandalo an’izao aho, ary naharesy izany ».

Misy tokoa io feo io, dia ny feon’i Jesosy. Nandalo karazana fakam-panahy sy fijaliana maro Izy, ary naharesy. Izany no tsiambaratelo lehibe entiny ho antsika. Tsy afaka ho hita eo amin’ny olombelona fotsiny ny vahaolana amin’izay mahazo antsika. Tsy ampy ny ako avalin’ny feon’olona iray ny feon’olon-kafa. Tsy maintsy mihoatra ny fetrantsika isika ary mahita lalana hanatonana an’Andriamanitra, fomba hifandraisana aminy. Mila vavaka isika. Mila ny fangorahana sy ireo fanampian’nyTompo Jesosy, Ilay olona tena mahafantatra tsara ny atao hoe fijaliana, ary efa any an-danitra ankehitriny, mikarakara ireo rehetra izay Azy.