Alakamisy 30 Jolay 2020

Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Romana 8:28

 

Izany “angaha”

Tany an-tranomaizina tany Roma ny apostoly Paoly no naniraka an’i Onesimosy, andevo nandositra, hiverina any amin’i Filemona tompony. Nandritra ny nandosirany i Onesimosy no nifandray tamin’ny apostoly Paoly ka nanolo-tena ho an’i Jesosy Kristy. Nangatahin’i Paoly izy hiverina any amin’ny tompony, ary nampitondrainy taratasy miangavy an’i Filemona mba handray am-pahalemem-panahy ilay andevony. Izao no nosoratany : “Fa izany angaha no nialany vetivety”. Ny fandosiran’io andevo io no fotoana niovany fo, sady fomba nahitan’i Filemona tompony azy ho “rahalahy malala”.

Marihintsika fa na dia apostoly aza i Paoly, dia tsy nanao teny hentitra hoe : “[ho amin’] izany”, fa nanampy tam-pahendrena hoe : “angaha”. Malina sy nahalala onony izy, ary tsy nihambo ho nahatakatra na nahay nanazava ny zavatra rehetra.

Tamina toe-tsaina toy izany koa no nitenenan’i Mordekay, mpino jiosy iray, tamin’i Estera zana-drahalahin-drainy, izay nanjary mpanjakavavy, tamina vanimpotoana sarotra nolalovan’ny mpiray firenena taminy, hoe : “Iza no mahalala, fa angamba ho amin’izao andro izao mihitsy no nanandratrana anao ho amin’ny fanjakana ?” (Estera 4:14).

Misy trangan-javatra izay toa mibaribary amintsika ny heviny. Nefa aoka isika ho malina rehefa manambara zavatra. Andriamanitra no mitantana ny fisehon-javatra rehetra, nefa tsy ary ho takatsika mandrakariva ny antony amelany zavatra hiseho, tsy takatry ny saintsika ny sasantsasany. Aoka isika hivavaka mba hahatakatra izay tian’Andriamanitra holazaina antsika. Aza mitsara, indrindra raha momba ny olon-kafa. Fa indrindra indrindra, aoka hatoky ny fitiavan’Andriamanitra.