Zoma 31 Jolay 2020

Nanony ny rivotra mahery Izy, ka nitsahatra ny onjan-drano. Dia faly ireo, satria nitsahatra izany ; ary nentiny ho amin’ny fitodiana niriny izy. Salamo 107:29-30

Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? Salamo 27:1

 

Famonjena ao anaty tafiodrivotra

Ny « Abeille Bourbon » dia sambo mpitarika mirefy 80 metatra ny lavany, miantsona ao Brest (any Frantsa), ary nampitaovina manokana ho amin’ny fanavotana amin’ny loza eny an-dranomasina. Tantsambo za-draharaha no miasa ao ; ary rehefa hamonjy voina izy dia miainga avy eo Ouessant, nosy tandrifin’ny morontsirak’i Bretagne. Mamonjy sambo efa ho rendrika izy, mitarika azy ireny ho any amin’ny seranana akaiky indrindra, rehefa mamely ny tafiodrivotra.

Ny Baiboly dia manoritsoritra tafiodrivotra maro (vakio Jona 1:4 ; Asan’ny Apostoly 27 ; Matio 8:24 ; …). Izy ireo dia kisarisarina fotoam-pitsapana. Matetika Andriamanitra, Izay tia ny olona rehetra, no maneho ny tenany amin’io fomba io. Izay rehetra mila fanampiana, aza mitaredretra miantso an’i Jesosy Mpamonjy mba hanampy azy. Dia ho hitany hoe Jesosy no Ilay velona, Ilay afaka mandray an-tanana, tsy ny toejavatra ankehitriny ihany, fa ny fiainany manontolo mihitsy. Fiadanana toa inona moa no omen’i Jesosy ahy, rehefa fantatro fa manana fahefana Izy hamela ny heloko sy hanome ahy ny fiainana mandrakizay !

Ny mpino koa dia mamakivaky tafiodrivotra, ka mila fanampiana. Toy ny sambo taritina amin’ilay sambo mpitarika, ny mpino dia mifamatotra amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny finoana. Ao amin’i Jesosy no misy ny hery. Fantany ny hiafaran’ny fitsapana ary Izy no mametra ny hamafin’izany (Joba 1:12). Manana fahefana Izy, tsy hoe hitarika antsika ao anatin’ny famakivakiana ny tafiodrivotra ihany, fa koa hampitsahatra izany : Andriamanitra Izy. Mahery Izy ka afaka mitondra antsika ho amin’ny fitodiana.

 

Ho mandrakizay no itiavan’ny Tompo antsika :

Tsy hitsahatra mihitsy ny fahasoavany ao am-pontsika ;

Hitondra antsika ho any amin’ny tanjona Izy,

Satria Izy no fanantenantsika sy fahasambarantsika lehibe indrindra.