Asabotsy 1 Aogositra 2020

Efa mahazatra azy ny fampahatahoran’ny haizim-pito azy. Joba 24:17

Jehovah no Mpiandry ahy... Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho ; fa Ianao no amiko. Salamo 23:1, 4

 

Vizana ny miaina ary matahotra ny ho faty ?

Hoy ny nambarana mpilalao sarimihetsika malaza iray tamina mpanao gazety : « Vizana ny miaina aho ary matahotra ny ho faty ». Matetika, tsy mora ny fiainana. Na ny harena, na ny laza amam-boninahitra, dia samy tsy afaka mitondra fiadanana sy fahasambarana ao anatin’ny fo. Ny fahafatesana dia anton-javatra mampangorohoro hatrany ny olona tsy vita fihavanana amin’Andriamanitra.

Mifanohitra tanteraka amin’izany ny tsapan’ny apostoly Paoly, mpanompo sy mpaka tahaka an’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjiny sy Tompony ! Mafy ny fiainany, tsy nitsitsy ny ainy izy mba hitoriany ny Filazantsara. Matetika izy no nenjehina sy nolavina. Ary rehefa hifarana ny fiainany, dia nigadra tao an-tranomaizina tany Roma izy, noho ny finoany. Na teo aza izany zava-tsarotra rehetra izany, dia tsy natahotra na ny fiainana na ny fahafatesana izy, satria natoky tanteraka an’Andriamanitra. “Fa Kristy no anton’ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony. Kanefa raha ny ho velona amin’ny nofo no hahavokaran’ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko ; fa sanganehana eo anelanelan’izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany ; kanefa kosa ny hitoetra eo amin’ny nofo no mahasoa anareo kokoa” (Filipiana 1:21-24). Resy lahatra izy fa ny fiainany dia teo am-pelatanan’Ilay Andriamaniny, Izay fantany manokana. Ampy ho azy Andriamanitra, tamin’ny zavatra rehetra, na ho velona izy na ho faty.

Marefo ny olombelona, na ara-batana na ara-po amam-panahy. Fantatr’Andriamanitra tsara izany : “Tahaka ny fiantran’ny ray ny zanany no fiantran’i Jehovah izay matahotra Azy ; fa Izy mahalala ny toetrantsika, ka mahatsiaro fa vovoka isika” (Salamo 103:13-14). Ny loharanon-kery ho antsika dia ny mahafantatra an’Andriamanitra ho Raintsika, ary Jesosy Kristy no hany lalana mankany aminy.