Alahady 2 Aogositra 2020

Ary hoy Pilato taminy : Fa inona moa no ratsy nataony ? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe : Homboy amin’ny hazofijaliana Izy ! Ary Pilato ta hahazo sitraka tamin’ny vahoaka, ka dia nandefa an’i Barabasy ho azy ; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin’ny hazofijaliana. Marka 15:14-15

 

Fara fizahan-toetra ny olombelona

Ireo tranga tamin’ny nanamelohana an’i Jesosy sy ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana no ahitantsika ny fara fizahan-toetra ny olombelona, maningotra ny andraikitry ny tsirairay. — Pilato no nitana ny toeram-pahefana ara-panjakana ; saingy tsy nampanjaka ny rariny izy, fa nilefitra noho ny faneren’ny vahoaka, ka nanameloka an’i Jesosy, Izay nekeny hoe marina anefa. — Ireo miaramila nanompo teo ambany fanapahany dia nampiseho habibiana sy hasiahana. —Ny mpanora-dalàna sy ny mpisorona, izay mpitondra ara-pivavahana tamin’izany fotoana izany, dia nitady vavolombelona mandainga mba hampamonoana an’i Jesosy, ary nanaraka azy ireo ny vahoaka, nampiseho ny tsy fankasitrahana ratsy indrindra an’Ilay tsy nitandro hasasarana fa nanasitrana, namahana, nanao soa tamin’ny fomba maro samihafa. — Ireo nandalo teo, olona liana te hahita fotsiny, dia tsy nahitsy fo fa niteny ratsy an’i Jesosy, ary nanaram-po namoaka ny fankahalany tsy amin’antony akory. — Ary ireo mpianatra mihitsy no nandao ny Tompony, nisy tonga hatramin’ny fandavana Azy ampahibemaso, tsy sahy nijoro niatrika ny toejava-nisy.

Rakotra henatra ny zanak’olombelona, tao anatin’io toejavatra nampiharihary tanteraka ny toetrany io.

Tao amin’izany habibiana, fanimbazimbana sy tsy firaharahana niseho feno izany no nandrenesana an’i Jesosy voahombo teo amin’ny hazofijaliana, nivavaka ho an’ireo mpampijaly Azy hoe : “Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34). Tam-pahatoniana tanteraka no namitany ny asam-pamonjena antsika, asa nomen’ny Ray hataony (Jaona 17:4), ary nahafahan’izay mino Azy mandray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra.

Teo amin’ny hazofijaliana no nanehoan’ny olona tamin’ny fomba tsy azo lavina ny haratsiany ; ary teo koa no nampisehoan’Andriamanitra tamin’izao tontolo izao ny fitiavany sy ny fahamarinany.