Alatsinainy 3 Aogositra 2020

Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, ... ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala. Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia ... araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika. Titosy 3:3-5

 

Babo an’ady

« Very avokoa ny rehetra ahy : ny fianakaviako, ny taniko, ary hatramin’ny anarako aza. Laharan’isa sisa no nahafantarana ahy : 46466, nisoratra teo amina takelaka hazo nifatotra teo amin’ny vozoko. Indray andro, tany amina toerana niasana hanarenan-tany dia nisy mpifehy iray nihevitra fa tsy ampy ny asa vitako. Nosoratany tao amin’ny karine ny laharana 46446, sady nandrahona ahy fatratra izy. Ny hariva tany an-toby, rehefa nilahatra izahay mba handray lasopy eran’ny sotrobe, dia nisy kaporaly iray nitana teny an-tanany baoritra misy ny laharana 46446, ilay lehilahy hofaizina. Nandalo ireo gadra 800… tsy nisy nanana io laharana io. Mety ho diso ihany ny olombelona… »

Fa any an-danitra kosa, amin’ny andron’ny fitsarana resahin’ny Baiboly, dia tsy hisy fahadisoana. Hisy sezafiandrianana hatsangana, ary hipetraka eo Ilay Mpitsara faratampony. Handalo eo anoloan’io sezafiandrianana io avokoa ireo rehetra nandà ny famonjena atolotr’Andriamanitra ankehitriny. Hisy boky hovelarina, dia ny bokin’ny fiainana sy ireo boky mirakitra ny asa rehetra nataon’izy ireo : hanameloka azy ireo izany asa voarakitra ao izany. Ny anaran’ny mpino ihany no ho voasoratra ao anatin’ilay bokin’ny fiainana. “Ary raha nisy tsy hita voasoratra teo anatin’ny bokin’ny fiainana, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy” (Apokalypsy 20:15).

Anio isika no tokony hisahiran-tsaina hamantatra hoe aiza no voasoratra ny anarantsika. Iza no mitahiry io bokin’ny fiainana io ? Ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay voavono (13:8) : Kristy, Ilay sorona fanoneram-pahotana, maty teo amin’ny hazofijaliana ary nitsangana ho velona indray. Iza no manana ny anarany voasoratra ao amin’io boky io ? Ireo navotan’ny ran’ny Zanak’ondry “ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny hafa firenena rehetra” (5:9), ireo izay mino fa “ny ran’i Jesosy … no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:7).