Talata 4 Aogositra 2020

Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko ; izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro ; ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho. Salamo 139:23-24

 

Miaiky aho, ry Tompo

 

Miaiky aho, ry Tompo,

Fa matetika no malahelo ny foko

Ka misento, ory sy mitomany,

Mitady fiadanana.

Miaiky aho, ry Tompo,

Fa ao no anafenako ny fijaliako,

Ny fangidiako sy ny lolompoko,

Nefa mba tokony hiaina am-patokiana aho.

Misehoa Ianao, kasiho ny foko,

Ao anatiko lalina ao,

Ao amin’izay itoeran’ny aiko, ny fahamarinako,

Ao amin’izay tianao hihaonana amiko.

 

Miaiky aho, ry Tompo,

Fa tena mila ny fanatrehanao,

Ao anatin’ny foko lalina ao,

Fa tsy ivelambelany fotsiny ihany.

Miaiky aho, ry Tompo,

Ny fahariponao sy ny hamaminao

Izay miahy ny foko

Ao anatin’ny safosafo mamy.

Mikoriana ao anatiko toy ny rano madio izany,

Fankasitrahana manafaka ahy,

Mampitsiry ato anatiko ny faniriana hisaotra

Ilay Andriamanitro, Ilay Raiko, sy hitia Azy.

 

Frédérique Jaccard