Alarobia 5 Aogositra 2020

(Hoy Jesosy :) Fa inona no soa azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na maty antoka izy ? Lioka 9:25

Ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny zavatra ananany. Lioka 12:15

 

Fisiana sa fananana ?

Mahafantatra olona maro afa-po amin’ny anjarany ve ianao ? Isika ve tsy voahodidina olona tsy mety afa-po na oviana na oviana ? Na ianao koa aza, angamba, miandrandra zavatra hafa noho izay iainanao isanandro. Ny fiarahamonina manindrahindra ny fanjifana dia mahay mikolokolo izany tsy fahafaham-po izany, ka mitrandraka izany hampiroborobo ny varotra : manolotra zavatra isan-karazany lazainy fa hahafa-po izay mividy izany. Mividy, manan-javatra, izany no kolontsain’ny “fananana”, kolontsaina tsy mahafa-po na oviana na oviana ny zanak’olombelona.

Blaise Pascal, filôzôfa kristiana, dia nilaza fahizany hoe : “Ao anatin’ny olona tsirairay dia misy fahabangana lehibe manana endrik’Andriamanitra”. Fa talohany dia efa niteny Jesosy hoe : “Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana” (Lioka 12:23). Ny fiarahamonina iainantsika dia mifototra amin’ny fananana harena ary mihambo ho mahavaly izay rehetra filantsika, saingy manadino fa ny filana ara-panahy no tena zava-dehibe.

Jesosy dia tsy mba nampanantena an’iza na iza mihitsy hoe hameno ny filany ara-karena. Ny famonjena sy ny aina atolony dia tsy hahafeno ny haronao na ny fitahirizan-tsakafonao, nefa kosa hameno fifaliana sy fiadanana ny fonao. Tsy ny toejavatra iainanao na ny toe-piainanao no tian’i Jesosy hovaina, fa ianao mihitsy no tiany hamboarina. Ho amin’izany dia atolony anao ny fitiavany sy ny famelany ny helokao. Tiany ho tonga anisan’ny zanany ianao. Ny fahamendrehanao dia tsy miankina amin’izay anananao, fa amin’ny maha ianao anao eo anatrehany sy ho Azy.