Alakamisy 6 Aogositra 2020
Andriamanitra ... manankarena amin’ny famindrampo. Efesiana 2:4
Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra, sady masina no malala. Kolosiana 3:12
Samy hita ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina roa nomena antsika androany ny teny hoe “famindrampo”, ilazana an’Andriamanitra tenany mihitsy sy asaina itafian’ireo zanany. Ny voambolana ampiasaina amin’ny teny fototra (ny teny grika) ho an’ny andinin-tSoratra Masina faharoa dia teny tena mafy, midika ara-bakiteny hoe : “famindrampo hatrany anaty lalina indrindra”.
Ny hoe mamindra fo dia ny manana fo antra manoloana ny fijaliana na fahorian’ny hafa. Ny famindrampo dia iray amin’ireo toetran’Andriamanitra, anisan’ny maha Izy Azy mihitsy. Hitany avy any an-danitra ny toerana fadiranovana misy ny olombelona, ka “onena” Izy, toy izay asehon’ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy (Lioka 10:33) na momba ilay zanaka adala (Lioka 15:20). Koa dia nidina avy any an-danitra Izy mba “hamangy” antsika, ary niditra an-tsehatra manokana mba hanaisotra antsika tao amin’ny fahoriana. Andriamanitra Zanaka tenany mihitsy no tonga tetỳ an-tany mba hikarakara ny momba antsika, onena ireo rehetra nifanerasera taminy ka tsy nitandro hasasarana nanasoa azy ireo, ary ny zava-dehibe indrindra, dia Izy nanolotra ny ainy mba hananantsika ny fiainana mandrakizay.
Taomin’ny apostoly Paoly isika mba hanahaka an’i Jesosy Kristy, Ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika, taominy mba hanana famindrampo toa Azy. Matetika dia ivelambelany ihany ny fihetseham-pontsika ary miserana fotsiny ny fiontanam-pontsika. Rehefa mitantara amintsika zava-doza nitranga ny haino aman-jery, dia mampihetsi-po antsika avy hatrany izany, nefa ela ve ? Ry zanak’Andriamanitra, sahia kokoa “mitafy” izany toetra izany, mitodiha mandrakariva amin’ny hafa mba hanasoa azy ireo. Raha mangataka izany amin’Andriamanitra isika, dia hiasa Izy mba hanova ny fontsika izay matetika no tena mafy, ary mba hampanahaka azy bebe kokoa ny fon’Ilay Mpamonjintsika.