Zoma 7 Aogositra 2020

(Hoy Jesosy :) Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Matio 11:28

Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana. Jaona 5:40

 

Mila fahagagana ve ianao ?

Tsara vakina : Jaona 5:1-15

“Ento ny fandrianao, ka mandehana”, hoy Jesosy tamin’ilay lehilahy nalemy nandritra ny valo amby telopolo taona, niandry fanasitranana teo amoron’ny farihin’i Betesda. Mba fanarabiana koa izany ! hoy ny olona tsy mahafantatra an’Andriamanitra. Nefa izay miteny toy izany dia mampiseho tsy fahalalana ny herin’Andriamanitra sy ny fitiavany. Fa ilay lehilahy nalemy kosa nino ny nolazain’Andriamanitra, ary nankatò satria nino. Dia sitrana izy.

Hafahafa ihany, satria olona malemy maro no nanodidina ny farihy. Saingy iray ihany no sitrana. Ampy tanteraka ho an’ny rehetra ny herin’i Jesosy, nefa mba hahazoana tombony amin’izany, dia tsy maintsy mino.

Toy ity lehilahy malemy ity ny olombelona tsy manana fifandraisana amin’Andriamanitra, ka tsy afaka manao na inona na inona. Jesosy no nandia ny lalana ka nanatona. Nodiaviny io lalana io mba hanatonany antsika tsirairay, ka ho amin’izany dia maty teo amin’ny hazofijaliana Izy. Sao kosa isika anisan’ireo itenenan’i Jesosy eo ambanimbany hoe : “Tsy mety manatona Ahy ianareo, hanananareo fiainana” ?

Mba hifaly ve, fara faharatsiny, ny vahoaka nahita maso io fahasitranana tena mahatalanjona io ? Tsia dia tsia. Nila ady tamin’ilay nalemy sitrana aza ny Jiosy : Sabata ny andro, ka tsy azonao atao ny mitondra ny fandrianao. Ianao koa angamba, mety hitenenan’olona hoe : “Tsy azonao atao ny manakatra samirery izay lazain’ny Baiboly, ka noho izany, tsy mahazo manatona mivantana an’Andriamanitra ianao…” Tsy tambo hisaina ny antony tokony tsy ho namalian’ilay lehilahy nalemy ny fitaoman’i Jesosy azy : ny ezaka maro efa nataony nefa tsy nahomby, ny fiheveran’ireo manodidina azy, ny aretiny tsy hay sitranina… Namafa izany kajikajy rehetra izany anefa ny finoany. Niantehitra tamin’Ilay nanatrika azy teo izy, ary nandray avy taminy ny hery handresena ny sakantsakana rehetra.