Asabotsy 8 Aogositra 2020

Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 8:38-39

 

Fantatro fa voavonjy aho (1)

« Tantaran’olona maro niova fo ho amin’ny finoana kristiana no novakiko, ary isaky ny tantara dia nahatsapa fifaliana lehibe hatrany ilay nino. Izaho kosa tsy mba mahatsapa na inona na inona. »

Izany teny miharo alahelo izany dia mety holazaina kristiana mahitsy fo. Mpino izy, saingy manontany tena raha an’Andriamanitra tokoa, ka tokony hahatsapa zavatra manokana. Androany izy manana antoka fa an’Andriamanitra, ary voavonjy ; ny ampitso kosa, levona ny fanantenany.

Ndao haka kisarisary. Io mpino io dia toy ny sambo iray velesin’ny tafiodrivotra, ary tsy manan-kifaharana. Manana vatofantsika tokoa izy, saingy avelany ao amin’ny fitoeram-pitaovan’ny sambo izany, fa tsy atsipiny any ivelan’ny sambo mba hifaharany any amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Toy izany koa ny finoan’ny mpino. Mety ho tena misy tokoa izany, saingy azo lazaina hoe mitodika amin’izy tenany ihany. Tsy miantehitra afa-tsy amin’izay tsapany izy, ka tsy mahazo antoka amin’inona na inona. Vao mainka aza fisalasalana mifanesy no tsapany. Mba hahazoantsika antoka fa voavonjy isika, ny finoantsika dia tsy maintsy miantehitra amin’izay any ivelan’ny tenantsika ; Jesosy sy izay nataony no tokony hametrahantsika ny fitokiantsika.

Nankeo amin’ny hazofijaliana Jesosy, ary teo Izy dia “nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3:18). Izy no niharan’ny famaizan’Andriamanitra noho ny ota, ary ankehitriny dia ambaran’Andriamanitra fa izay mino an’i Kristy dia marina ; voavela ny helony. Tsy miankina amin’izay tsapany izany, fa amin’izay nambaran’Andriamanitra sy nampanantenainy.

(hitohy)