Alahady 9 Aogositra 2020

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8-9

 

Fantatro fa voavonjy aho (2)

Ahoana no ahazoako antoka fa manana ny finoana tena izy aho ? Amin’ny fametrahako tsotra fotsiny ny fitokiako amin’Andriamanitra, sy amin’i Jesosy, Ilay Mpamonjy nomeny. Izany no asehon’ny Baiboly. Tsy hoe mahatratra ambaratongam-pinoana iray tsy akory, fa mahafantatra hoe mendrika hitokisana Ilay inoako. Na hamikitra an’i Kristy toa olona ho faty an-drano aho, na hikasika fotsiny ny somotraviavin-dambany (Lioka 8:43-44), dia ho voaro, satria mifamatotra amin’ny Tompo noho ny finoana. Ary izany dia satria aho matoky ny asa notanterahiny teo amin’ny hazofijaliana. Izany no atao hoe mino Azy.

Fa mijanona ho very mandrakizay kosa aho raha manorina ny fitokisako amin’ny asa ataoko, na ny fombafomba ara-pivavahana arahiko, na ny fahatsapako ho manana toe-panahy araka an’Andriamanitra, na ny fanabeazana azoko. Ny finoana an’i Kristy, na faran’izay malemy aza, no mahavoavonjy ho mandrakizay. Ny finoana ny tena, na faran’izay mahery aza, dia tsy misy ilàna azy.

“Eny, mino an’i Kristy aho”, hoy ity tovovavy iray, indray andro. Nefa rehefa nanontaniana izy hoe voavonjy ve, dia nilaza ho tsy afaka milaza izany, sao dia toa mirehareha, hono ! Tsy fireharehana velively anefa ny filazana hoe voavonjy, ny filazana hoe an’ny Tompo ; tsy fireharehana, fa fanehoana hoe matoky izay nambaran’Andriamanitra. Noho izany ny mpino dia afaka mahafantatra sy milaza hoe efa voavonjy, satria ny Baiboly no manambara izany, ho an’izay mibebaka sy mino. Hoy Jesosy Kristy : “Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47).

(hitohy)