Alatsinainy 10 Aogositra 2020
Izy (Jesosy) nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana. 1 Petera 2:24
Indray alina lohataona dia nandinika ny taratry ny volana teo amin’ny ranon’ny dobo filomanosana ity zazalahy kely iray, ary sondriana erỳ tamin’izay hitany. Tampoka teo anefa dia nanipy vato tao anatin’ilay rano ny zokiny lahy. Nihiaka ilay zaza hoe : “Novakivakinao ny volana, dia mihovitrovitra ny vakiny !” Hoy ilay zokiny namaly : “Atrakao ny lohanao, dia jereo fa tsy niova tsy akory ny volana ; ny sariny ao anaty rano fotsiny no niova”.
Ny fontsika dia toy io ranon’ny dobo filomanosana io. Raha mbola tsy avelantsika hiditra eo amin’ny fiainantsika ny ratsy, dia mitondra fampaherezana sy fifaliana ho antsika ny Fanahy Masina. Fa rehefa mitsofoka ny fahotana, toy ilay vato natsipy tao anaty rano, dia potipotika ny fiainantsika feno hasambarana teo. Mikorotana anaty isika.
Nefa ve niova ny asa nataon’i Kristy ? Tsia ! Noho izany, dia tsy niova ihany koa ny famonjena antsika. Sa niova ny Tenin’Andriamanitra ? Tsia ! Noho izany, dia mbola azo antoka hatrany ny famonjena efa azontsika. Koa inona àry no niova ? Ny Fanahy Masina no tsy afaka miasa malalaka ao anatintsika intsony. Kristy no tokony hamenoany ny fontsika, nefa dia voatery Izy hiteny amin’ny fieritreretantsika, haneho amintsika fa nanota isika. Dia voaisotra amintsika ny fifaliana, mandra-piaikintsika ny fahadisoantsika sy andavantsika ny ratsy. Amin’izay vao ho hita indray ny fiombonana amin’ny Tompo ary hiverina ny fifaliana.
Fa raha misy rahona indraindray
Tonga manakona amiko ny hatsaranao,
Ry Sakaizako, Ianao Izay Andriamanitra,
Aorianan’ny oram-baratra kosa dia mamiratra indray ny hazavanao.
Aoka anie tsy hisy hanasaraka ahy aminao mihitsy,
Ry Mpamonjiko ! Ampianaro aho
Mba hiverina haingana eo aminao,
Raha nania indray ny tongotro.