Talata 11 Aogositra 2020

Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra ; fa ny fahatezeran’ny olona tsy ahefana izay marina eo imason’Andriamanitra. Jakoba 1:19, 20

Tezera, fa aza manota ; ary aoka tsy ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Efesiana 4:26

 

Mety ve izao firehitry ny fahatezeranao izao ?

Napetrak’Andriamanitra indroa tamin’ny mpaminany Jona izany fanontaniana izany. Tsy faly i Jona satria Andriamanitra namela indray ny heloky ny mponina tao Ninive, nefa efa nanambara fitsarana azy ireo. Nahatsapa ny tenany ho voafitaka i Jona. Nony farany dia namaly an’Andriamanitra izy hoe : “Mety ny hahatezerako, na dia mandra-pahafatiko aza” (Jona 4:9). Mora foana isika dia mahita ny tenantsika ao amin’i Jona. Azon’ny fahatezerana hatrany isika, isaky ny tsy mahafehy ny hambom-pontsika.

Aoka homarihina fa tsy voatery ho ratsy foana tsy akory ny fahatezerana, ao amin’ny Baiboly ; raha tsy izany mantsy, dia tsy niteny ny apostoly hoe : “Tezera, fa aza manota”. Jesosy mihitsy aza dia nijery tam-pahatezerana ireo mpitondra fivavahana izay nizaha taratra Azy, mba hahitan’izy ireo raha ho sahy hanasitrana marary amin’ny andro Sabata Izy na tsia ; ary lazain’ny Filazantsara antsika fa nalahelo Izy nahita ny hamafin’ny fon’izy ireo (Marka 3:5-6). Tsy haintsika ihany koa ny tsy hiraharaha, raha mahita ny zon’Andriamanitra voahitsakitsaka.

Na izany aza anefa, antsoin’Andriamanitra isika tsy hanaiky hoentin’ny fahatezerana. Tenenina ampahibemaso ny fahatezerana, rehefa vokatry ny toetra maha mpanota antsika : mora tohina, miavonavona, be hambo… Fihetseham-po tsotra fotsiny ny fahatezerana, amin’ny voalohany, nefa raha avelako hipoaka tsy voafehy, dia manjary fahotana.

Rehefa mahatsapa ny fahatezerana miakatra ao anatiny ny mpino, dia manana loharanon-kery. Raha mitodika amin’Andriamaniny izy, na amina vavaka mangina aza, dia homeny ny fiadanany. Aoka koa isika hivavaka mba hanehoany amintsika ny tena antony mahatezitra antsika. Izy irery ihany no afaka manome antsika fahendrena mba hanafoanantsika ny fahatezerantsika amina toe-po mamela heloka, manetry tena, ary marina. Ho fantatry ny manodidina antsika izany, ka hanjary omem-boninahitra ny Tompo.