Alarobia 12 Aogositra 2020

Maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe : Taiza no nahazoan’Ilehity izany zavatra izany ? ... Tsy ilay mpandrafitra, zanak’i Maria, ary rahalahin’i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity ? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny ? Marka 6:2, 3

 

Jakoba, rahalahin’ny Tompo

Ny Filazantsara dia milaza an’i Jesosy ho “ilay mpandrafitra, ... rahalahin’i Jakoba”. Milaza ihany koa ny Filazantsara fa tsy nahatakatra izay nataon’i Jesosy ireo rahalahiny, ary tsy nino Azy (Jaona 7:3-5).

Kanefa io Jakoba resahina io dia anisan’ireo apostoly (Galatiana 1:19). Ary nanoratra epistily iray ao amin’ny Testamenta Vaovao mihitsy aza izy. Niova tanteraka ny fiheverany an’i Jesosy sy ny fihetsiny momba Azy, taorianan’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty.

Rehefa nanomboka ny epistily nosoratany mantsy izy, dia nanambara ny tenany ho “Jakoba, mpanompon’Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo” (Jakoba 1:1). Ary nanohy ny taratasiny izy, niresaka momba ny “finoana… ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon’ny voninahitra” (2:1).

Ny Tompo Jesosy Kristy tokoa no Jesosy “ilay mpandrafitra”, rahalahin’i Jakoba, izay tsy nahafantatra Azy tsara fahiny. Ankehitriny kosa izy dia miaiky fa Jesosy no Kristy, izany hoe Ilay Mesia nandrasana, ary koa Ilay Tompo. Takany fa Ilay nietry ka nanaiky ho teraka tam-panetren-tena teo anivon’ny olombelona, tao amina ankohonana mahantra, dia tsy iza fa Ilay Tompon’ny voninahitra, sady Andriamanitra ! Jesosy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, nitsangana tamin’ny maty, ary nomem-boninahitra any an-danitra, dia nanjary ivon’ny finoan’i Jakoba rahalahiny. Tena niova tanteraka tokoa ny fisainan’i Jakoba momba an’i Jesosy ! Nosokafan’Andriamanitra ny mason’i Jakoba, ka mitsaoka an’i Jesosy izy ankehitriny.

Ary amintsika, iza moa Jesosy ? Ilay zanak’i Maria, ilay rahalahin’i Jakoba, ilay mpandrafitra ve ? Olona niaina tamin’ny fomba miavaka ve ? Eny, nefa mihoatra lavitra noho izany aza, toy ny nandraisan’i Jakoba Azy : Jesosy no Tompon’ny voninahitra, ivon’ny finoantsika. Ary voninahitra ho antsika ny manompo Azy.